Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 4:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin’ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: –Tsy misy ilànay anareo amin’ny fanorenana trano ho an’ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, araka ny didy efa navoakan’i Kirôsa amperôran’i Persia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa namaly azy ireo i Zerobabela sy i Josoa mbamin’ny namany lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely, araka izay didy navoakan’i Kirosy mpanjaka, izay mpanjakan’i Persia, taminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin’ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: –Tsy misy ilànay anareo amin’ny fanorenana trano ho an’ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, araka ny didy efa navoakan’i Kirôsa amperôran’i Persia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Fa namaly azy kosa i Zôrôbabela sy i Jôsoe mbamin’ireo namany loham-pianakavian’i Israely nanao hoe: «Tsy mety raha izahay sy ianareo no miara-manao ny tranon’Andriamanitray, fa izahay ihany no hanao azy, ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, araka ny voadidin’ny mpanjaka, dia i Sirosa mpanjakan’i Persa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin’ny namany lohan’ny fianakaviana tamin’ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian’itompokolahy Kyrosy, mpanjakan’i Persia, anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Fa namaly azy ireo i Zerobabela sy i Josoa mbamin’ny namany lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely, araka izay didy navoakan’i Kirosy mpanjaka, izay mpanjakan’i Persia, taminay.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 4:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa, amperôran’i Persia, no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO, ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakàny manontolo ireto hafatra ireto:


Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa amperôran’i Persia no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:


«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia. Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda.


Koa aoka ianareo rehetra anisan’ny vahoakan’ny Tompo mba hiakatra any Jerosalema, ao amin’ny tanin’i Joda, ka hanorina indray ny tranon’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra Izay ivavahana ao Jerosalema. Homba anareo anie ilay Andriamanitrareo!


Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao;


Izao kosa no valin-teny nasetriko azy: –Ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanàna indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory atỳ Jerosalema!


Hoy Aho ny amin’i Kirôsa: ‹Izy no mpiandry ondriko. Hotanterahiny izay sitrako rehetra, ka dia hanome baiko izy mba haorina indray i Jerosalema ary hamboarina indray ny tempoly.› »


Noho ny fitiavako ny firenen’i Jakôba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao; ary nomeko izany laza izany ianao, na dia tsy mahalala Ahy akory aza.


–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.


Dia hoy ilay vehivavy samaritanina tamin’i Jesoa: –Jiosy Ianao, ka nahoana no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy samaritanina? Fa tsy mifandray amin’ny Samaritanina manko ny Jiosy.


Tsy misy anjaranao na lovanao amin’ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra