Ezra 4:2 - DIEM PROTESTANTA2 Dia nanatona an’i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin’ny andron’i Esara-Hadôna, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho atỳ. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 dia nanatona an’i Zerobabela sy ny lohan’ny fianakaviana izy ka niteny taminy hoe: Aoka mba hiara-miasa aminareo izahay fa mitady an’Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ny andron’i Esara-Hadona mpanjakan’i Asiria izay nampiakatra anay ho atỳ. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Dia nanatona an’i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin’ny andron’i Esara-Hadôna, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho atỳ. Jereo ny tokoBaiboly Katolika2 dia nanatona an’i Zôrôbabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: «Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho Azy hatramin’ny andron’i Asarhadôna mpanjakan’i Asiria, izay nampiakatra anay ho atỳ.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 dia nanatona an’i Zerobabela sy ny lohan’ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an’Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ny andron’i Esara-hadona, mpanjakan’i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ. Jereo ny toko |
Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.
Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô, lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao, ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao. Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay, ny mpisoronay sy mpaminaninay, ary ny razanay mbamin’ny tenanay, manomboka tamin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandrak’izao andro anio izao!
Kanjo raha iny izy niankohoka tao amin’ny tempolin’i Nisrôka andriamaniny iny indrindra, no avy namono azy tamin’ny sabatra ny zanany roa lahy, dia i Adramelèka sy i Saretsera; avy eo lasa nandositra any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy fa i Esara-Hadôna zanakalahin’i Saneheriba no nanjaka nandimby azy.