11 «Ny olona rehetra, hatramin’ny mpanompon’ny amperôra sy sarambabem-bahoaka any amin’ny faritany aza, dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny amperôra ho eo an-kianja anatin’ny lapa, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no mihatra aminy; izay hotondroin’ny amperôra amin’ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka.»
11 Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny olona rehetra manerana ireo fari-piadidian’ny mpanjaka dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny mpanjaka eo an-kianja anatiny na lehilahy na vehivavy nefa tsy nantsoina dia tokana ihany ny lalàna ho an’ny rehetra mba hahafaty azy afa-tsy izay hotondroin’ny mpanjaka amin’ny tehina volamena mba hahavelona azy. Izaho anefa dia tsy nantsoina hiditra ao amin’ny mpanjaka efa telopolo andro izay.

11 Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran’ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin’ny mpanjaka amin’ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin’ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
11 Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
11 Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny olona rehetra manerana ireo fari-piadidian’ny mpanjaka dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny mpanjaka eo an-kianja anatiny na lehilahy na vehivavy nefa tsy nantsoina dia tokana ihany ny lalàna ho an’ny rehetra mba hahafaty azy afa-tsy izay hotondroin’ny mpanjaka amin’ny tehina volamena mba hahavelona azy. Izaho anefa dia tsy nantsoina hiditra ao amin’ny mpanjaka efa telopolo andro izay.
Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an’i Vastỳ tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovàna.
ny hariva izy no mandeha any amin’ny amperôra, ary ny ampitso maraina kosa lasa mankao amin’ilay trano faharoa fitoeram-behivavy, iandraiketan’i Sahasgaza tandapa mpitandrina ny vaditsindranon’ny amperôra. Tsy mba miverina any amin’ny amperôra intsony ireto vehivavy ireto, afa-tsy raha irin’ny amperôra ka tononony anarana.
Ary hoy indray ny amperôra hoe: –Iza no ao an-kianja ao? I Hamàna kosa no efa sendra niditra tao an-kianja. Tonga izy hangataka amin’ny amperôra ny hanantonana an’i Môrdôkay amin’ilay hazo efa nomanina ho azy.
Fa raha tsy manambara amiko ny nofy ianareo, dia hitovy ny famaizana hatao aminareo rehetra; sady ianareo niray tetika hilaza lainga sy fitaka eto anatrehako mandra-piovan’ny toe-javatra. Koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko ianareo.