Eksodosy 28:29 - DIEM PROTESTANTA29 «Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201129 Ary i Arona dia hitondra ny anaran’ny Zanak’Israely eo amin’ny saron-tratra fitsarana mifanolotra amin’ny fony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara29 «Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika29 Amin’izay i Aarôna, rehefa miditra ny Fitoerana Masina dia hitondra ny anaran’ny zanak’i Israely, manolotra ny fony, amin’ny saron-tratra fitsarana, ho fahatsiarovana mandrakizay, eo anatrehan’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy29 Ary Arona hitondra ny anaran’ny Zanak’Isiraely eo amin’ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible29 Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah. Jereo ny toko |
Ary ianao, ry Mosesy, apetaho eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orîma sy Tomîma mba hoentin’i Aharôna eny an-tratrany rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy; tsy maintsy entin’i Aharôna mandrakariva eny aminy manko ireny isaky ny ho ao amin’ny Toeramasina izy mba hahazoany mamantatra ny sitrapoko momba ny Israelita.