Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 28:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Kofehy manga no hamehezana ny mason-drojon’ny saron-tratra amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Hampifamehezina amin’ny ribà jaky volomparasy ny masom-bolamenan’ny saron-tratra sy ny an’ny efôda, hitana ny saron-tratra eo ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda, fa tsy hosarahina amin’ny efôda ny saron-tratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ny saron-tratra amin’ny vava volan’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:28
9 Rohy Ifampitohizana  

vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.


Mbola hisy haba volamena roa hafa koa hamboarina ka hapetaka eo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, eo amin’ny fikambanany; eo ambonin’ny samboadin’ny efôda no hametrahana ireo haba volamena ireo.


«Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana.


«Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia hatao manontolo amin’ny volon’ondry miloko volomparasy.


Dia hafatotra amin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy eo ambonin’ny satroka fehiloha, eo anoloana izy.


Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.


–ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.


mba hamepetra ny Israelita hoe: –Aoka ianareo sy ny taranakareo mifandimby hanisy somotraviavy ny sisin’akanjonareo, ary koa kofehy volomparasy amin’ny somotraviavy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra