Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 2:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Hoentiny ho amin’ireo mpisorona taranak’i Aharôna izany; dia handraoka eran-tanan’ila amin’ny lafarinina voararaka menaka sy handraoka manontolo ny vovoka zava-manitra ireo, ka handoro izany fanati-pahatsiarovana izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Hitondra izany ho any amin’ireo mpisorona zanak’i Arona izy, dia handraofan’izy ireo eran’ny tanana ila ny koba sy ny diloilon’ny fanatitra mbamin’ny ditin-kazo manitra rehetra. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Hoentiny ho amin’ireo mpisorona taranak’i Aharôna izany; dia handraoka eran-tanan’ila amin’ny lafarinina voararaka menaka sy handraoka manontolo ny vovoka zava-manitra ireo, ka handoro izany fanati-pahatsiarovana izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Hoentiny amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna izany, dia angalan’ny mpisorona eran-tanana ila miaraka amin’ny lafarina tsara indrindra voararaka diloilo ny emboka rehetra, ka hodorana hanetona eo ambonin’ny ôtely izany, ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary hitondra azy ho amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona, izy, dia handraofan’ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; ary hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Hitondra izany ho any amin’ireo mpisorona zanak’i Arona izy, dia handraofan’izy ireo eran’ny tanana ila ny koba sy ny diloilon’ny fanatitra mbamin’ny ditin-kazo manitra rehetra. Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 2:2
17 Rohy Ifampitohizana  

«Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitra ô! Ka aza kosehina ny soa vitako momba ny tranonao sy momba ny fanompoam-pivavahana.»


Ary nasaiko nidio tena ny levita ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanokanana ny andro sabata ho an’Andriamanitra. «Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô; ary iantrao aho fa be indrafo ianao!»


Rehefa voaangonao avy amin’ny Israelita rehetra izany vola izany, dia hampiasainao hikojakojana ny Tranolay fihaonana. Izany no hahatsiarovako ny Israelita ka hiarovako ny ainy.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Ary hodoran’ny mpisorona hanetona ny fanati-pahatsiarovana, dia ny ampahan’ny lango voararaka menaka sy ny ditin-kazo manitra manontolo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.»


Hanavaka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’izany izy ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin’ny isan’antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon’ny mofo ka holevonina amin’ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.


Hoentin’ilay olona izany koba izany ho eo amin’ny mpisorona ka handraofan’ny mpisorona eran-tanana ila mba ho fanati-pahatsiarovana; dia hodorany hanetona eo amin’ny alitara io fanati-pahatsiarovana io, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO: fanatitra fanalana ny ota izany.


«Rehefa misy anankiray amin’ny taranak’i Aharôna voahosotra ho mpisorombe handimby azy, dia hanao izany fanatitra izany koa izy. Anjara raikitra ho Ahy TOMPO izany ka hodorana hanetona avokoa:


Harakorakon’ny mpisorona ny volon’ilay vehivavy miseho eo anatrehan’ny TOMPO, ary hapetrany eo am-pelatanany ny fanati-piampangana, izany hoe ny fanati-pahasarotam-piaro. Fa ny mpisorona kosa hitana ny rano mangidy izay mitondra ozona.


Hangalan’ny mpisorona eran’ny tanana, ho fampahatsiarovana ny TOMPO izany fanatitra izany ka hodorany hanetona eo amin’ny alitara; izay vao hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.


Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra