Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 2:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ny sisa amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’i Arona sy ireo zanany; anjara tena masina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ny sisa amin’ny fanatitra hohanina dia ho an’i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ny sisa amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ho an’i Arona sy ireo zanany; anjara tena masina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 2:3
17 Rohy Ifampitohizana  

Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’ny Orîma sy Tomîma.


Haharitra fito andro koa io lanonana io; ka raha afaka izany, dia ho masina indrindra ny alitara, ary izay rehetra mahakasika azy na olona na zavatra dia hiharan-doza.


Ny fanatitra vokatry ny tany sy ny biby natolotra ho sorona fanalana ny ota na ho sorom-panonerana no hohaniny. Ny zavatra rehetra natokana ho Ahy amin’i Israely, dia ho an’ny mpisorona.


sady nilazany hoe: «Io no toerana fampangotrahan’ny mpisorona ny henan’ireo biby natao sorom-panonerana sy sorona fanalana ny ota, ary eo koa no fandrahoany ireo fanatitra vokatry ny tany. Amin’izay dia tsy hisy zava-masina hoentina any amin’ny kianja ivelany mba tsy hotandindomin-doza ny sarambabem-bahoaka.»


Ny feny izay navahana manokana sy ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy dia entin’ny Israelita miaraka amin’ny tavin-kena izay hodorana amin’ny afo. Hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO ireo didin-kena ireo; avy eo dia ho anao sy ny zanakao. Anjara raikitra ho anareo hatrany hatrany ireo, araka ny baikon’ny TOMPO.


Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin’ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin’ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota no fanao amin’ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran’ny mpisorona izany.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.


Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota vitany momba ny anankiray amin’ireo lafin-javatra ireo, dia voavela ny otany. «Araka ny fanao amin’ny fanatitra vokatry ny tany no hataon’ny mpisorona amin’izany.»


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.


Sahala amin’ny sorona fanalana ny ota ihany ny sorom-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’izy roa: ho an’ilay mpisorona manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ny henan-tsorona.


Ny fanatitra masaka rehetra, nendasina tamin’ny lafaoro na tamin’ny lapoaly na tamin’ny takela-by, dia an’ilay mpisorona manolotra azy.


Ireto avy no horaisinareo amin’ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon’ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,


eny, tamin’ny fokon’i Israely rehetra, dia ny razambenao Aharôna no nofidiko ho mpisoroko, hitondra ny sorona eo amin’ny alitarako ary handoro vovo-javamanitra ary hisalotra efôda hanontaniana Ahy. I Aharôna sy ny taranany aza dia nomeko anjara tamin’ny sorona naterin’ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra