Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 «Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny fanendasa-mofo ianao dia aoka ho mofo tsy misy masirasira vita amin’ny koba tsara toto sady voaharo diloilo, miampy mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 «Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 «Raha zavatra endin-dafaoro no atolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin’ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin’ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin’ny fanendasa-mofo hianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin’ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny fanendasa-mofo ianao dia aoka ho mofo tsy misy masirasira vita amin’ny koba tsara toto sady voaharo diloilo, miampy mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 2:4
21 Rohy Ifampitohizana  

Misanasana vava hamely ahy ireny, mova tsy liona mandrotika sy mierona.


Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.


Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony.


Makà kobam-barimbazaha, ka manaova mofo tsy misy leviora, mofo mamy misy diloilo saingy tsy misy leviora, ary mofo manify tsy misy leviora sady voararaka diloilo.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


sady nilazany hoe: «Io no toerana fampangotrahan’ny mpisorona ny henan’ireo biby natao sorom-panonerana sy sorona fanalana ny ota, ary eo koa no fandrahoany ireo fanatitra vokatry ny tany. Amin’izay dia tsy hisy zava-masina hoentina any amin’ny kianja ivelany mba tsy hotandindomin-doza ny sarambabem-bahoaka.»


Izay mpanolotra no hamono azy eo avaratry ny alitara, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO: fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany.


Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO


«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana mba ho fisaorana an’Andriamanitra, dia ireto zavatra ireto no hateriny ho fanampiny: mofo vaventy tsy misy leviora sady miharo menaka, mofo fisaka tsy misy leviora sady voahoso-menaka; ary mofo atao amin’ny koba lafarinina miharo menaka.


Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.


ary dia niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko!


–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako.


Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin’ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany.


i Kristy tsy nanota akory sady tsy mba niloa-bava hilaza fitaka;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra