Levitikosy 2:1 - DIEM PROTESTANTA1 «Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Raha misy manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO dia koba tsara toto no hataony fanatitra ary handraraka diloilo sy hanisy ditin-kazo manitra eo amboniny izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 «Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 «Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 ARY raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny. Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache1 Raha misy manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO dia koba tsara toto no hataony fanatitra ary handraraka diloilo sy hanisy ditin-kazo manitra eo amboniny izy. Jereo ny toko |
Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.
sady nilazany hoe: «Io no toerana fampangotrahan’ny mpisorona ny henan’ireo biby natao sorom-panonerana sy sorona fanalana ny ota, ary eo koa no fandrahoany ireo fanatitra vokatry ny tany. Amin’izay dia tsy hisy zava-masina hoentina any amin’ny kianja ivelany mba tsy hotandindomin-doza ny sarambabem-bahoaka.»
Ireto avy no horaisinareo amin’ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon’ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,
Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin’i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy no mampianatra anareo ny amin’ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin’i Kristy ianareo, araka ny nampianaran’ny Fanahy Masina anareo.
Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan’ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo ambonin’ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan’Andriamanitra.