Levitikosy 1:17 - DIEM PROTESTANTA17 ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Hosamahiny ny elany nefa tsy hotapahiny hiala amin’ny vatany; ary ny mpisorona dia handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny kitay eo amin’ny afo; fanatitra dorana manontolo izany, fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika17 Izay vao hosamahiny amin’ny elany ny vorona, tsy hatao hentitra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny kitay hazo voatohoka amin’ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 ary hosamahiny amin’ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny kitay izay eo amin ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. Jereo ny toko |
Hoentiny ho amin’ireo mpisorona taranak’i Aharôna izany; dia handraoka eran-tanan’ila amin’ny lafarinina voararaka menaka sy handraoka manontolo ny vovoka zava-manitra ireo, ka handoro izany fanati-pahatsiarovana izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.