Nanao tilikambo tao Jerosalema izy, teo amin’ny Vavahadin’ny Zoro sy teo amin’ny Vavahady mankany an-dohasaha sady nohamafisiny tsara.
Nehemia 2:13 - DIEM PROTESTANTA Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin’ny Lohasaha dia nandroso nankany amin’ilay loharanon’ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin’ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon’ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha alina aho ka nivoaka ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, tandrifin’ny loharanon’ny dragona sy tamin’ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’i Jerosalema izay rava sy ny vavahadiny izay levon’ny afo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin’ny Lohasaha dia nandroso nankany amin’ilay loharanon’ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin’ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon’ny afo. Baiboly Katolika Mbola alina, dia nivoaka teo amin’ny vavahadin’ny Lohasaha aho, dia nandroso mankany amin’ny loharanon’ny Dragona sy ny vavahadin’ny Zezika; nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny efa levon’ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin’ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, tandrifin’ny loharanon’ny dragona, sy tamin’ny vavahadin-jezika ka nizaha ny màndan’i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon’ny afo. Malagasy Bible Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, tandrifin'ny loharanon'ny dragona, sy tamin'ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan'i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon'ny afo. La Bible en Malgache Dia nandeha alina aho ka nivoaka ny vavahady mankany amin’ny lohasaha, tandrifin’ny loharanon’ny dragona sy tamin’ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’i Jerosalema izay rava sy ny vavahadiny izay levon’ny afo. |
Nanao tilikambo tao Jerosalema izy, teo amin’ny Vavahadin’ny Zoro sy teo amin’ny Vavahady mankany an-dohasaha sady nohamafisiny tsara.
Ka izao no navaliny ahy: –Ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany, ao amin’ny faritr’i Joda, dia mitondra latsa sy fahoriana be; ny mandan’i Jerosalema kosa voarodana, ary ny vavahadiny dia kilan’ny afo.
Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Joda; ny mpihira kosa nozaraiko ho antokony roa lehibe mitandahatra tsara. Ny antoko mpihira voalohany dia niroso teny ambonin’ny manda, tamin’ny ilany ankavanana mankeny amin’ny Vavahadin’ny Fanariam-pako;
nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’Andriamanitra ny foko mba hatao ho an’i Jerosalema. Avy eo dia niainga alina aho, nombàn’olona vitsivitsy; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay boriky nitaingenako ihany.
Iny alina iny ihany no niakarako ny tevana amoron’ny lohasahan-driaka sy mbola nizahako ny manda; izay vao nitampody aho, dia niditra ilay Vavahadin’ny Lohasaha ka tafaverina.
Ary hoy aho taminy; –Hitanareo ny fahavoazana mihatra amintsika fa rava i Jerosalema ary kilan’ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hanangana indray ny mandan’i Jerosalema isika mba tsy ho fandatsa intsony!
ka niteny tamin’ny amperôra hoe: –Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady levon’ny afo ny vavahadiny?
Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny.