Jeremia 5:10 - DIEM PROTESTANTA10 Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 Miakara ao amin’ny tanim-boalobony ianareo ka poteho, nefa aza dia levonina avokoa izy; esory ny rantsany satria tsy an’NY TOMPO ireny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika10 Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an’i Iaveh ireny! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 Miakara eo amin’ny màndany hianareo, ka mameleza, Nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, Satria tsy an’i Jehovah izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible10 Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache10 Miakara ao amin’ny tanim-boalobony ianareo ka poteho, nefa aza dia levonina avokoa izy; esory ny rantsany satria tsy an’NY TOMPO ireny. Jereo ny toko |
Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.
dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Ry taranak’i Jakôba mpanompoko, aza matahotra ianareo, satria Izaho no miaraka aminareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina!