Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 5:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Tsy hovaliko va izy amin’izany? Hoy NY TOMPO; ary tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Koa tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany! - teny marin’i Iaveh, - ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Tsy hovaliako va izy amin’izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Tsy hovaliako va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Tsy hovaliko va izy amin’izany? Hoy NY TOMPO; ary tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 5:9
23 Rohy Ifampitohizana  

Dia toy izany fa tsy hieren-doza izay mandry amin’ny vadin’ny namany.


Noho izany ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, Ilay Maherin’i Israely, dia manao teny hentitra hoe: «Loza! hiala vonkina amin’ny mpanohitra Ahy Aho, ary hamaly faty amin’ireo fahavaloko!


Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra hohanina; ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo amin’izany toe-javatra izany?


Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny amin’ireo mpiandry ratsy ireo: «Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Fa ity tanànan’i Jerosalema ity dia efa nampahavinitra sy nampahatezitra Ahy hatramin’ny nanorenana azy ka mandraka androany, hany ka hoesoriko tsy ho eo anatrehako intsony.


Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.


Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny.


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna: «Mikapà hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an’i Jerosalema.» Iharan-tsazy io tanàna io fa feno fampahoriana ao aminy.


Koa tsy hirotsaka ve Aho hamely ireny olona ireny, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitra ambarako?»


Noho ny amin’ny tendrombohitra no hitomaniako sy hitarainako, ary noho ny amin’ny kijana any an-taniefitra no hanaovako hira fisaonana, satria voadoro avokoa izy rehetra ka tsy andalovan’olona intsony. Tsy re any intsony ny fitrenan’ny andian’omby; ary samy lasa nandositra avokoa ny voro-manidina sy ny bibidia.


Efa nanota sady nikomy izahay; ary Ianao, Tompo ô, tsy namela heloka anay.


Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiôna, ka tsy hoentina ho babo intsony ianao. Fa ianao kosa, ry Edôma, hovalian’ny Tompo ny fahadisoanao, hovakiny bantsilana ny helokao.


Tsy ho antra fijery anareo Aho ary tsy hamindrafo aminareo, fa hovaliako aminareo ny fitondrantenanareo sy ny asa maharikoriko izay mbola tohizinareo eo anivonareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mikapoka anareo.


Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.


Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.


Voaloto mbamin’ny tany aza, ka novaliako ny helony ary naloany ny mponina teo aminy.


Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.


Andriamanitra sarotiny sy mpanafay ny TOMPO. Manafay tokoa ny TOMPO ary mahatsiravina ny fahatezerany; eny, manafay izay manohitra Azy ny TOMPO, ary mirehi-kavinirana amin’ny fahavalony.


Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana raha avy izay hahasolafaka ny tongony fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy faingana ny anjara voatendry ho azy.»


Ry hafa firenena, hobio ilay vahoakan’Andriamanitra! Fa valian’ny TOMPO ny nahafatesan’ny mpanompony; eny, valiany tokoa ireo mpandrafy Azy, ary avotany kosa ny taniny mbamin’ny vahoakany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra