Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nehemia 12:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Joda; ny mpihira kosa nozaraiko ho antokony roa lehibe mitandahatra tsara. Ny antoko mpihira voalohany dia niroso teny ambonin’ny manda, tamin’ny ilany ankavanana mankeny amin’ny Vavahadin’ny Fanariam-pako;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ny mpanapaka ny Joda ary nanendry antoko mpihira roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny iray dia nandeha tamin’ny ankavanana teo ambonin’ny manda ho amin’ny vavahadin-jezika;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Joda; ny mpihira kosa nozaraiko ho antokony roa lehibe mitandahatra tsara. Ny antoko mpihira voalohany dia niroso teny ambonin’ny manda, tamin’ny ilany ankavanana mankeny amin’ny Vavahadin’ny Fanariam-pako;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Nasaiko niakatra teny ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Jodà, ary nalahatro ho antokony roa lehibe ny mpihira manao prôsesiôna. Ny antokony voalohany, nandeha teny ambonin’ny manda, amin’ny ilany havanana, ho eo amin’ny vavahadin’ny Zezika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny mànda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin’ny ankavanana teo ambonin’ny mànda ho amin’ny vavahadin-jezika;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ny mpanapaka ny Joda ary nanendry antoko mpihira roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny iray dia nandeha tamin’ny ankavanana teo ambonin’ny manda ho amin’ny vavahadin-jezika;

Jereo ny toko dika mitovy




Nehemia 12:31
8 Rohy Ifampitohizana  

Niarahan’i Davida nihevi-draharaha ny komandin-tafika mifehy arivo na mifehy zato ary ny mpanapaka rehetra;


Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.


Tamin’izay fotoana izay dia novorîn’i Salômôna tao Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.


ka nandeha nanarakaraka azy ry i Hôsahià, ny antsasak’ireo mpanapaka an’i Jodà,


Ny antoko-mpihira faharoa kosa dia nandeha tamin’ny ilany ankavia; ka ny tenako sy ny antsasak’ireo mpanapaka an’i Joda no nanaraka azy teny ambonin’ny manda. Nandalo teo akaikin’ny Tilikambon’ny Fatana izahay, dia nandroso hatreny amin’ny manda malalaka;


Dia samy nijanona tao an-tranon’Andriamanitra ny antoko-mpihira roa tonta, mbamin’ny tenako sy ireo mpanapaka tafaraka tamiko


Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin’ny Lohasaha dia nandroso nankany amin’ilay loharanon’ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin’ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon’ny afo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra