Tsy notandreman’i Jehò akory anefa ny handeha araka ny lalànan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely amin’ny fony manontolo, fa tsy nialany akory ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama an’i Israely.
Nehemia 10:29 - DIEM PROTESTANTA Ny olona sisa, na mpisorona, na levita, na mpiandry varavarana, na mpihira, na mpanampy ny levita, na izay rehetra efa niavaka tamin’ny valovotaka mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra, na ny vadin’ireo, na ny zanany lahy sy vavy, izany hoe izay rehetra efa mahahaino tsara, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny olona sisa mbamin’ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Netinima ary izay rehetra efa niavaka tamin’ny olona teo an-toerana mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra mbamin’ny vadin’ireo sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy, izay rehetra afaka mihaino, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny olona sisa, na mpisorona, na levita, na mpiandry varavarana, na mpihira, na mpanampy ny levita, na izay rehetra efa niavaka tamin’ny valovotaka mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra, na ny vadin’ireo, na ny zanany lahy sy vavy, izany hoe izay rehetra efa mahahaino tsara, Baiboly Katolika Ny vahoaka sisa, ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Natineanina, ary izay rehetra nisaraka tamin’ny vahoakan’ny tany, hanaraka ny lalàn’Andriamanitra, mbamin’ny vadin’ireo, ny zanany lahy aman-janany vavy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’Andriamanitra mbamin’ny vadin’ireo sy ny zanani-lahy ary ny zanani-vavy, izay rehetra efa nahahaino, Malagasy Bible Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin'ny tompon-tany hanaraka ny lalàn'Andriamanitra mbamin'ny vadin'ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino, La Bible en Malgache Ny olona sisa mbamin’ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Netinima* ary izay rehetra efa niavaka tamin’ny olona teo an-toerana mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra mbamin’ny vadin’ireo sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy, izay rehetra afaka mihaino, |
Tsy notandreman’i Jehò akory anefa ny handeha araka ny lalànan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely amin’ny fony manontolo, fa tsy nialany akory ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama an’i Israely.
Ary niakatra teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao ny fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandremany ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary neken’ny vahoaka rehetra izany fanekempihavanana izany.
Ireo tafaverina voalohany teo amin’ny taniny sy teo amin’ny tanànany aloha dia sarambabem-bahoaka israelita, vao ny mpisorona sy ny levita ary ny mpanampy azy ireo tao an-tempoly.
Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io.
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›
Dia nifandahatra tamin’ireo lehilahy ireo aho ka nanozona azy; nokapohiko aza ny sasany ary norombotako ny volon-dohany. Dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra aho mba tsy hanome ny zanakavaviny ho vadin’ny hafa firenena, ary mba tsy haka ny zanakavavin’ny hafa firenena ho vadin’ny tenany na ny zanakalahiny; sady hoy aho hoe:
Ny amin’ireo mpanampy ny levita koa dia ny terak’ireto olona manaraka ireto: i Tsihà, i Hasofà, i Tabahôta,
Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan’ny mitataovovonana, dia teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano i Hezrà ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona.
Niavaka tamin’ny olona rehetra hafa firenena ry zareo ka naka toerana mba hiaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’i Davida.
Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.
Koa ambarao azy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Mihainoa Ahy ianareo ka araho ny lalàna izay nomeko anareo;
Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.
Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko.
«Aoka ho masina sady voatokana ho Ahy ianareo, satria Izaho TOMPO dia masina ary efa nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa mba ho Ahy.
dia hataon’ny TOMPO ohatry ny fanozonana sy fianianana eo amin’ny firenenao anie ianao; hataony momba koa anie ianao ary hampivontosiny ny kibonao;
satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Moa tsy nomen’i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo manatanteraka ny lalàna! Nahoana Aho no tadiavinareo hovonoina?
Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin’ny Tompo.
Kanefa nisy olona sasantsasany nikambana taminy ary tonga mpino: anisan’ireny i Diônisy, mambran’ny antenimiera Areôpazy, sy vehivavy atao hoe Damarida ary ny sasany hafa koa izay niaraka tamin’ireo.
Nefa aza manaiky azy ireo ianao! Misy Jiosy mihoatra ny efapolo lahy manko miteti-dratsy hamely an’i Paoly. Nanao velirano izy efapolo lahy fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty azy. Vonona izao ry zareo, fa ny valin-teninao no andrasany.
Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Dia novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampitaiko ho renareo anio; ianaro ireo àry imasoy ny fanatanterahana azy.
Koa himasoanareo, hoy indray i Mosesy, ny hanatanteraka izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ary tsy hivily na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia ianareo.