Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 14:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Fa NY TOMPO hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Israely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; hikambana aminy ny vahiny ary hiombona amin’ny taranak’i Jakoba izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Fa Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba, Ary mbola hifidy ny Isiraely indray Ka hamponina azy ao amin’ny taniny; Ary ny vahiny hikambana aminy, Ary ny taranak’i Jakoba ho namany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 14:1
65 Rohy Ifampitohizana  

Isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan’ny teny aman-didin’ny amperôra, dia ravoravo sy heni-kafaliana ny Jiosy ary nanao fanasana sy lanonana. Maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nanindry azy ny fahatahorana ny Jiosy.


Ianao kosa, TOMPO ô, manjaka mandrakizay ary maharitra hatrany hatrany ny lazanao.


Hirotsaka an-tsehatra Ianao ka hamindrafo amin’i Tsiôna, fa tonga ny fotoana hiantranao azy; eny, izao no fotoana mety amin’izany.


Noho ny fitiavanao ahy, dia fongory ny fahavaloko ka aringano avokoa ny mpandrafy ahy, satria mpanomponao aho.


Tsy nohadinoin’ny Tompo, ry terak’i Israely, ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika; ka dia hitan’ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.


Amin’izany andro izany, dia hisy tanàna dimy hiteny hebreo any Ejipta sady hianiana hiraiki-po amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao. Ka ny anaran’ny tanàna anankiray dia hatao hoe Tanànan’ny masoandro.


Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an’i Negeba no fiavin’ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin’ny tany anankiray mahatahotra.


Amin’ny andro ho avy, dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan’i Jakôba ary hamony hivelatra indray i Israely. ka hameno izao tontolo izao ny voany.


Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen’i Jakôba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako,


ianao izay nalaiko avy tany am-paran’ny tany sady nantsoiko avy amin’ny faritra lavitra indrindra, ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao; Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»


Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen’i Jakôba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko.


Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»


Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO; mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».


Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta.


Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany; manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra, fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany ary naneho indrafo tamin’ny mahantrany.


Fa ny TOMPO kosa mamaly hoe: Moa manadino ny zanany minono ve ny vehivavy na tsy tia ny zaza naloaky ny kibony intsony? Na dia mety manadino aza izy, Izaho kosa tsy mba hanadino anao.


Eny, hoy ny famalin’ny TOMPO, na dia ny babon’ny miaramila mahery aza dia halaiko aminy; ary hosarihiko amin’ny olon-doza ny rembiny. Fa Izaho mihitsy, ry Jerosalema, no hiady amin’izay miady aminao sady hanafaka ny zanakao.


Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»


satria miely miankavanana sy miankavia ianao: ny taranakao hahazo indray ny tanin’ny firenen-kafa, ary koa hipetraka indray amin’ireo tanànanao efa haolo.


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


Aoka ny hafa firenena efa miraiki-po amin’ny TOMPO tsy hanao anakampo hoe: «Hoesorin’ny TOMPO tokoa aho tsy ho anisan’ny vahoakany.» Ary aoka ny eonòka tsy hanao anakampo hoe: «Indro efa hazo maina aho.»


Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo. Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny ny haneho famindrampo aminao.


Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»


Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.


fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»


«Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,


Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Samy nampahorìna ny Israelita sy ny Jodeanina; ary izay rehetra namabo azy dia mitana azy an-keriny, fa tsy manaiky handefa azy.


Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO.


Izaho anefa tsy hivadika amin’ny fanekempihavanana izay nataoko taminao tamin’ny andron’ny fahatanoranao fa hanova azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.


Antsapaka no hizarànareo azy ho anareo ary koa ho an’ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valovotaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon’ny fokon’i Israely.


Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tanànako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an’i Tsiôna indray ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.»


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Niahy ny vahoaka Israely mpanompony Andriamanitra, satria nahatsiaro ny teniny tamin’ny razantsika; dia ny hamindra fo mandrakizay amin’i Abrahama sy ny taranany.


dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra