Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 14:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Hisy olona maro haka azy ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’Israely dia hanana azy ho mpanompolahy sy mpanompovavy ao amin’ny tanin’NY TOMPO. Ho tonga mpamabo ireo izay namabo azy izy, ary hampanompo izay nampahory azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ny firenena no haka azy, ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’i Israely handray azy ireo ho an’ny tenany, ao amin’ny tanin’i Iaveh, ho mpanompo lahy ama-mpanompo vavy; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy, sy hanapaka an’ireo nampahory azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; Ary ny taranak’Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ny tanin’i Jehovah; Dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy Ary hampanompo izay nampahory azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Hisy olona maro haka azy ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’Israely dia hanana azy ho mpanompolahy sy mpanompovavy ao amin’ny tanin’NY TOMPO. Ho tonga mpamabo ireo izay namabo azy izy, ary hampanompo izay nampahory azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 14:2
34 Rohy Ifampitohizana  

Niaraka taminy koa ny mpanompo lahy sy vavy miisa 7 337, ny mpihira lahy sy vavy miisa roanjato;


Kalesy an’arivony aman’alina ireo kalesin’ny Tompo Andriamanitra; ka avy any an-tendrombohitra Sinay Izy no mankao amin’ilay Toeramasina.


Amin’izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiôna izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.


Tsy sabatra nataon’ny olona ilay sabatra handavo ny Asirianina; ary tsy sabatra an’olombelona ilay sabatra handringana azy. Handositra eo anoloan’io sabatra io ny Asirianina; ary ny miaramila voafantiny dia hampanaovina asa an-terivozona.


Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro hasandratro ny tanako hanatsika ny firenen-kafa; ary hatsangako ny fanevako ho hitan’ny vahoaka. Dia hotrotroiny no fitondra ny zanakao lahy; ary hoentiny an-tsoroka ny zanakao vavy.


Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.


Eny, hoy ny famalin’ny TOMPO, na dia ny babon’ny miaramila mahery aza dia halaiko aminy; ary hosarihiko amin’ny olon-doza ny rembiny. Fa Izaho mihitsy, ry Jerosalema, no hiady amin’izay miady aminao sady hanafaka ny zanakao.


satria miely miankavanana sy miankavia ianao: ny taranakao hahazo indray ny tanin’ny firenen-kafa, ary koa hipetraka indray amin’ireo tanànanao efa haolo.


Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»


Topazo maso ny manodidina anao ka jereo: Indreny izy rehetra fa mivory hankeo aminao. Ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ary ny zanakao vavy kosa trotroina.


Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman’osinareo, olona avy any an-kafa no hiasa ny tany sy hamboly voaloboka ho anareo.


Fa izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro hotarihiko hankao Jerosalema ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony; ny haren’ny firenen-kafa hotarihiko hankao ka ho tondraka toy ny renirano. Hikarakara fatratra anareo Aho toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany ka mitondra azy eo an-trotroany sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.


Nefa izay rehetra mandripaka anao dia mba haripaka ihany koa; izay rehetra mankahala anao dia mba hatao sesitany ihany koa; izay mamabo anao dia mba hobaboina ihany koa; ary izay rehetra mandroba ny fanananao dia mba hatolotro horobaina ihany koa.


Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Indro avy ny andro hampandrenesako akoran’ady ao Rabà, renivohitry ny Hamônita. Dia ho tonga tanàna aolo sy rava izy ary ireo tanàna miankina aminy ho kilan’ny afo ka ho lasan’i Israely indray, hoy Aho, ny fananana efa azy fahiny.»


Tsy handeha hanangon-kitay any an-tsaha akory ny olona na hikapa hazo any an’ala, fa ireo fiadiana ireo no hataony kitay eo. Hamabo sy handroba ireo efa namabo sy nandroba azy izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Aorian’izany dia ho lasan’ny olo-masin’ny Avo Indrindra ny fanjakana ho fananany mandrakizay mandrakizay.


«Ny amin’izay ho andevolahinareo na andevovavinareo, dia amin’ny firenena manodidina anareo no hividiananareo azy.


Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela, ka hanjary masina indray io toerana io; ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba ny tanin’ireo naka ny taniny.


Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo mba ho lasa babon’ireo nandevoziny.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy.


Ary hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: ‹Izaho no ho manda afo manodidina hiaro ny tanàna, ary ny voninahitro no ho eo afovoany›. »


Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin’ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo,


Eny, sitrapony tokoa izany, sady adidiny amin’ireo mahantra ireo: satria ny kristianina jiosy tany Jerosalema dia nizara ny harena ara-panahy nananany tamin’ireo hafa firenena; ka adidin’ny kristianina hafa firenena kosa ny manompo azy ireo amin’ny harena ara-nofo.


sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary babonay hanaiky an’i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana.


Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin’ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin’ny alalan’ny fitiavana.


Izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: «Raha miakatra any amin’ny avo Izy, dia nitondra babo marobe, ka nanome fanomezana ho an’ny olona.»


Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra