Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 6:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Koa tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao, RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako izay hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mankatò ny lalànako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tanteraho noho ny fitiavanao an’i Davida mpanomponao raiko, ny teny nataonao taminy hoe: ‹Tsy ho lany taranaka eo anatrehako ianao, fa hisy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely mandrakizay, raha tany ny taranakao mitandrina ny lalana alehany ka mizotra amin’ny lalàko toy ny fandehananao eo anatrehako.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Koa tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako hianao hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Koa tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao, RY TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako izay hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mankatò ny lalànako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:16
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hotanterahin’ny TOMPO ilay fampanantenana izay nambarany tamiko hoe: «Raha tandreman’ireo taranakao ny fitondrantenany ka amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo no izorany eo anatrehako amim-pahitsiana, dia tsy ho diso zanakalahy handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao.»


koa raha mizotra araka ny lalànako ianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra, dia hotanterahiko aminao ny fampanantenana izay nataoko tamin’i Davida rainao;


Tsy tokony ho fantatrareo ve fa ny TOMPO Andriamanitr’i Israely efa nanome mandrakizay ny fanjakàn’i Israely ho an’i Davida sy ny taranany? Eny, nataony fanekena tsy azo foanana izany.


Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.


Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe: –Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.


Ankehitriny àry, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin’i Davida mpanomponao.


Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako,


dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an’i Israely.»


Sambatra ny mahitsy fitondrantena, dia izay manaraka ny lalànan’ny TOMPO.


Raha maninona ny tanora no hadio toetra? Raha mitandrina ny teninao.


Ny TOMPO efa nanao fianianana tamin’i Davida ka tsy hivadika amin’ny marina voalazany hoe: «Iray amin’ireo zanakalahinao no hataoko mpanjaka handimby anao amin’ny sezafiandriananao.


Raha ny zanakao mitandrina ny fanekempihavanako mbamin’ny fepetra izay hampitaiko aminy, dia zanany lahy hatrany hatrany koa no hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao.»


Ifantohan’ny masoko ny fitiavanao; ary ny fahamarinanao no arahiko.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Havelako hiantso vonjy amiko indray ny Israelita mba hanasoavako azy; ka hohamaroiko tahaka ny andianondry ny olony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra