Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 34:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy teo imasoko tamin’ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa ianareo kosa androany efa nody, ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ny nitorianareo fahafahana samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko ianareo tao amin’ny trano iantsoana ny Anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary nibebaka hianareo andro-any ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako hianareo, dia tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:15
15 Rohy Ifampitohizana  

Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida razambeny, fa nanahaka an’i Jôasy rainy.


Ary niakatra teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao ny fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandremany ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary neken’ny vahoaka rehetra izany fanekempihavanana izany.


Ny olona sisa, na mpisorona, na levita, na mpiandry varavarana, na mpihira, na mpanampy ny levita, na izay rehetra efa niavaka tamin’ny valovotaka mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra, na ny vadin’ireo, na ny zanany lahy sy vavy, izany hoe izay rehetra efa mahahaino tsara,


Hamafisiko ny velirano izay nataoko, dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.


Na dia ny fahatezeran’i Edôma aza dia hanjary fiderana Anao; ary ny olona sisa tavela any Hamata dia hataonao manaiky Anao.


Isan’andro isan’andro dia mitady Ahy izy ary maniry hahafantatra ny lalako, tahaka ny firenena iray manao ny marina ka tsy nanary ny fitsipik’Andriamaniny. Ny fitsarana araka ny rariny no angatahiny amiko ary ny fanatrehako azy no zavatra irîny.


Ankoatra izany, dia nametrahany sampy tao amin’ny tempoly natokana ho Ahy ka nolotoiny.


Ary izao indray no teny tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO. Izany moa dia taorian’ny nanaovan’i Tsedekià mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema fifanekena ampahibemaso fa samy hanambara ny fahafahan’ny andevony avy.


Izany no hanambarànareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an’ny mponina rehetra ao amin’ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin’ny taninareo sy amin’ny fianakavianareo avy ianareo.


«Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra, tendro-molotra no anajany Ahy fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra