Dia nanao izao tononkira izao ho an’ny TOMPO i Davida tamin’ny andro izay nanafahany azy tamin’ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.
Mpitsara 5:1 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izany andro izany i Debôrà dia nihira niaraka tamin’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany dia nihira i Debora sy i Baraka, zanak’i Abinoama hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany andro izany i Debôrà dia nihira niaraka tamin’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama ka nanao hoe: Baiboly Katolika Tamin’izany andro izany dia nihira i Debôrà sy i Baràka zanak’i Abinôema nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy ARY Debora sy Baraka, zanak’i Abinoama, dia nihira tamin’izany andro izany ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe: La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany dia nihira i Debora sy i Baraka, zanak’i Abinoama hoe: |
Dia nanao izao tononkira izao ho an’ny TOMPO i Davida tamin’ny andro izay nanafahany azy tamin’ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.
Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»
Ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra izay teo ambany fitarihan’i Jôsafata dia niainga hiverina any Jerosalema indray tamim-pifaliana, satria ny TOMPO efa nampifaly azy fony nafahany tamin’ny fahavalony.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hira nataon’i Davida mpanompon’ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin’ny fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.
Ianao no fierena miaro ahy mba tsy ho azon’ny fahoriana; ny ahodidinao ahy dia horakora-pihobiana ataon’ireo mifaly fa nafahanao aho. Fiatoana
Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe: Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho; fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!
Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihirà ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!
TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.
Amin’izany andro izany, ao amin’ny tanin’i Joda dia hihirana izao hira izao: «Manan-tanàna mafy isika. Manda roa sosona no nataon’ny TOMPO mba ho fiarovana azy.
Tamin’izay indrindra no nihiran’ny Israelita izao hira izao: «Aoka ianao hiboiboika rano, ry fantsakana, ka hanaovanay fihobiana!
Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely.
Ary i Hanà nanao tonom-bavaka toy izao: Feno hafaliana ny foko noho ny amin’ny TOMPO; mitraka koa ny lohako noho ny aminy. ary ihomehezako ny fahavaloko. Faly aho satria novonjen’ny TOMPO;