Eksodosy 15:21 - DIEM PROTESTANTA21 Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihirà ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihirà ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy! Jereo ny tokoBaiboly Katolika21 Ka izao no navalin’i Maria ny zanak’i Israely: «Mihirà ho an’i Iaveh fa efa naneho ny voninahiny Izy. Navariny any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihirà ho an’i Jehovah, fa avo indrindra Izy; Ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin’ny ranomasina. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache21 Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina. Jereo ny toko |
Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;
Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.