Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 15:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Notarihin’i Mosesy niala tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin’ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary nitondra ny Israely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena i Mosesy ka nitarika azy ho any amin’ny tany efitra Sora, ary nandeha hateloana tany an-tany efitra ireo nefa tsy nahita rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Notarihin’i Mosesy niala tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin’ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia nasain’i Môizy niainga avy ao amin’ny Ranomasina Mena i Israely. Nandroso nankany amin’ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin’io efitra io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 ARY Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary nitondra ny Israely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena i Mosesy ka nitarika azy ho any amin’ny tany efitra Sora, ary nandeha hateloana tany an-tany efitra ireo nefa tsy nahita rano.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 15:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,


Niala teo i Abrahama nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan’i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.


Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.


Izy no nampizotra ny vahoakany tany an-taniefitra –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina, nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.


Ny vahoakany kosa nafindrany toy ny ondry ary notarihiny toy ny andiany tany an-taniefitra;


nentiny tamim-pilaminana ireo ka tsy natahotra, fa ny fahavalony no voasaron-dranomasina.


Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.


Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»


niala teo Py-Hahirôta, dia namakivaky ny ranomasina mba hihazo ny taniefitra ary nandeha lalana telo andro tany an-taniefitra dia nitoby tao Marà.


Ary i Saoly nandresy ny Hamalekita nanomboka teo Havilà ka hatrany Sòra, atsinanan’i Ejipta.


Avy tao i Davida sy ny olony no niakatra nanafika ny Gesôrita sy ny Girzita ary ny Hamalekita; fa ireo no mponina hatrizay tamin’izany faritra izany, dia hatrany Sora ka tafapaka any amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra