Ary ren’i Jetrao, mpisorona tao Midiàna sady rafozan-dahin’i Mosesy, izay rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.
Mpitsara 4:11 - DIEM PROTESTANTA Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Hebera kenita dia efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, rafozan’i Mosesy; tonga hatrany akaikin’ny hazo terebinta ao Zananima izay eo anilan’i Kadesy, izy ka namelatra ny tranolainy tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy. Baiboly Katolika I Hebera ilay Kineanina, dia nisaraka tamin’ny Kineanina taranak’i Hôbada, zaodahin’i Môizy ka nilasy hatrany amin’ny aoka any Senima, akaikin’i Kedesy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, zao-dahin’ i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin’ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan’i Kadesy. Malagasy Bible Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy. La Bible en Malgache Ary i Hebera kenita dia efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, rafozan’i Mosesy; tonga hatrany akaikin’ny hazo terebinta* ao Zananima izay eo anilan’i Kadesy, izy ka namelatra ny tranolainy tao. |
Ary ren’i Jetrao, mpisorona tao Midiàna sady rafozan-dahin’i Mosesy, izay rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.
Nody tany amin’i Rehoela rainy izy fito mirahavavy, ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nalaky nody ianareo androany?
Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.
Raha miaraka aminay ianao, dia homenay anjara amin’ny zava-tsoa hatolotry ny TOMPO anay.
Nahita ny Kenita koa i Balahàma ka nanonona izao teny izao: «Mafy orina ny fonenanareo, ry Kenita, ka azo antoka tahaka ny akanim-borona izay voavoatra ambony vatolampy.
Ny sisin-taniny, lafy avaratra, dia miainga hatreo Helefa, hatreo amin’ilay oaka akaikin’i Tsahananima, dia mandalo an’i Adamỳ-Nekeba sy i Jabneela, ka tonga hatrany Lakôma ary miafara eo Jôrdàna.
Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin’i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanàna be rofia. Niainga niaraka tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin’ny taniefitr’i Joda tao atsimon’i Harada ary niara-nonina tamin’ny Hamalekita.
Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama.
Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.
Hoy izy tamin’ny Kenita: «Mandehana ianareo ka ilaozy ny Hamalekita, fandrao haringako miaraka aminy koa ianareo; fa mba nanisy soa ny Israelita ihany manko ianareo, raha niala tany Ejipta izy.» Dia nisaraka tamin’ny Hamalekita ny Kenita.
Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: «Taiza avy no nanafihanareo androany?», dia novaliany hoe: «Tany amin’ny faritra atsimon’i Joda» na «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Jerahimeelita» na koa «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Kenita».