Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 3:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary i Mosesy dia niandry ny ondry aman’osin’i Jetro rafozany, mpisorona tany Midiana, dia nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny tany efitra ka tonga tany Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary Mosesy niandry ny ondry aman-osin’i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman-osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary i Mosesy dia niandry ny ondry aman’osin’i Jetro rafozany, mpisorona tany Midiana, dia nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny tany efitra ka tonga tany Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 3:1
33 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa niala teo i Elià, dia nahita an’i Elisà zanakalahin’i Safata izay teo am-piasana tany. Omby 24 no teo anoloany ary izy no amin’ny roa farany. Raha nandalo teo akaikiny i Elià, dia nanipy ny akanjobeny hanarona azy.


Dia nifoha i Elià ka nihinana sy nisotro. Rehefa nahazo hery tamin’izay nohaniny izy, dia nandeha efapolo andro sy efapolo alina hatrany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Dia nanamboatra ombilahikely tao Hôreba ny razanay, ka niankohoka teo amin’ny sarivongana varahina.


Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka. Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.


Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.


Aoka izy ho vonona ho amin’ny rahafakampitso, fa amin’io andro io dia ho hitan’ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.


Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr’i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin’ny tendrombohitra Sinay.


Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.


Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman’osin-drainy.


Nody tany amin’i Rehoela rainy izy fito mirahavavy, ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nalaky nody ianareo androany?


Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy.


Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,


Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.


Dia hoy ny TOMPO hoe: –Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin’ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao.


Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Hôreba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.


Nandeha niverina tany amin’i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Mba avelao aho handeha hiverina any amin’ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia. Dia hoy i Jetrao taminy: –Mandehana soa aman-tsara!


Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.


Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.


Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.


Niala tao an-tendrombohitry ny TOMPO ireo Israelita ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo tamin’izany lalana telo andro izany ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO mba hitady izay toerana hahafahan’ny vahoaka mitoby.


Tany amin’izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.


Efapolo taona taorian’izany, dia anjely tanaty lelafon-droimemy mirehitra no niseho tamin’i Mosesy, tany an-taniefitra misy ny tendrombohitra Sinay.


(Lalana 11 andro i Kadesy-Barnea raha miala ny tendrombohitra Hôreba ka mihazo ny lalana mankany amin’ny tendrombohitra Sehîra).


–Fony teo amin’ny tendrombohitra Hôreba isika, dia nitenenan’ny TOMPO Andriamanitsika hoe: «Ela izay nitoeranareo teto amin’ity tendrombohitra ity izay.


Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»


Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.


Hoy indray i Samoela tamin’i Jisay: –Ireo avokoa ve izy mirahalahy avy? Ka novalian’i Jisay hoe: –Ny zandriny indrindra sisa no tsy eo, fa mbola miandry ondry izy. Fa hoy kosa i Samoela tamin’i Jisay: –Ampanalao izy, fa tsy hanomboka ny sorona isika raha tsy efa tonga eto izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra