Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 10:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Dia hoy i Mosesy tamin’i Hobaba, zanak’i Regoela ilay Midianita, rafozan’i Mosesy: Izahay izao dia miainga hankany amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO hoe: Homeko anareo izany. Andeha ianao hiaraka aminay dia hasianay soa; fa NY TOMPO efa nilaza soa ny amin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Dia hoy Mosesy tamin’i Hobaba, zanak’i Regoela Midianita, rafozan’i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay hianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 10:29
31 Rohy Ifampitohizana  

Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao.


Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.


Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty.


Salamo fampiasa amin’ny sorom-pisaorana. Mihobia ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo.


Ny anjelin’ny TOMPO miambina manodidina ny mpanaja an’Andriamanitra ka manafaka azy amin’ny loza.


Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO, hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!


Ary ren’i Jetrao, mpisorona tao Midiàna sady rafozan-dahin’i Mosesy, izay rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.


Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.


Dia nalefan’i Mosesy nandeha nody any amin’ny taniny ny rafozany.


Nody tany amin’i Rehoela rainy izy fito mirahavavy, ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nalaky nody ianareo androany?


Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy.


Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany.


Handeha ho any ny firenena marobe ka hifampitaona hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, ho any an-tranon’ilay Andriamanitr’i Jakôba; dia hampianariny antsika ny sori-dàlany, ary harahintsika ny lalana hatorony.» Fa avy ao Tsiôna no ivoahan’ny fampianarana, ary avy ao Jerosalema no iavian’ny tenin’ny TOMPO.


Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.


Izany no filaharan’ny Israelita mbamin’ny antokon-tafiny avy, rehefa niainga izy.


Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.


Tsy nisy faritra natolotr’Andriamanitra ho anjara lovan’i Abrahama teto na dia iray dia aza, saingy nampanantenain’Andriamanitra fa ity tany ity dia homeny azy ho fananany sy ho fananan’ny taranany handimby azy; ary mbola tsy nanan-janaka akory i Abrahama tamin’izany fotoana izany,


mba hampidiriny ao amin’ny tany izay fananan’ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin’ny razambenareo;


Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny taona rehetra.


dia fivavahana miorina amin’ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;


ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.


Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!» Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!» Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin’izany!


Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin’i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanàna be rofia. Niainga niaraka tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin’ny taniefitr’i Joda tao atsimon’i Harada ary niara-nonina tamin’ny Hamalekita.


Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.


Hoy izy tamin’ny Kenita: «Mandehana ianareo ka ilaozy ny Hamalekita, fandrao haringako miaraka aminy koa ianareo; fa mba nanisy soa ny Israelita ihany manko ianareo, raha niala tany Ejipta izy.» Dia nisaraka tamin’ny Hamalekita ny Kenita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra