Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 10:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Fa hoy izy namaly azy: –Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa ho any amin’ny taniko sy ny havako aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Fa hoy izy namaly azy: –Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Fa izao no navalin’i Hobaba azy: «Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa ho any amin’ny taniko sy ny havako aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 10:30
12 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Mialà amin’ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.


Ary ankehitriny mandeha mody tokoa ianao satria manina ny akanin-drainao, kanefa nahoana no nangalarinao ireo sampiko?


Misy andriambavy iray mitsena anao, dia mpanjakavavy maka toerana eo ankavananao sady miravaka volamena avy any Ôfira.


Dia nalefan’i Mosesy nandeha nody any amin’ny taniny ny rafozany.


Dia hoy indray i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholona hoe: –Ahoana kosa ny hevitrareo ny amin’ity? Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Dia nankeo amin’ny voalohany izy ka niteny taminy hoe: «Ndeha, anaka, miasa any amin’ny tanimboaloboko anio!»


Ary hoy ny navaliny: «Izao dia izao ihany aho dia handeha, tompoko»; kanjo tsy nandeha ilay io.


–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro.


Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny.


Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.


Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.


Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin’i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanàna be rofia. Niainga niaraka tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin’ny taniefitr’i Joda tao atsimon’i Harada ary niara-nonina tamin’ny Hamalekita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra