Mpitsara 2:10 - DIEM PROTESTANTA Ary rehefa tapitra maty avokoa izany taranaka izany ka voaangona any amin’ny razany, dia taranaka hafa indray no nandimby azy, taranaka izay tsy nahalala akory ny TOMPO sy ny asa nataony ho an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ny razany, koa taranaka hafa izay tsy nahalala NY TOMPO na ny asa nataony ho an’ny Israely no nitsangana nandimby azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa tapitra maty avokoa izany taranaka izany ka voaangona any amin’ny razany, dia taranaka hafa indray no nandimby azy, taranaka izay tsy nahalala akory ny TOMPO sy ny asa nataony ho an’i Israely. Baiboly Katolika Ary voaangona any amin’ny razany koa izany taranaka izany; ka taranaka hafa, tsy nahalala an’i Iaveh na ny asa nataony ho an’i Israely, no nitsangana nandimby azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy. Malagasy Bible Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy. La Bible en Malgache Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ny razany, koa taranaka hafa izay tsy nahalala NY TOMPO na ny asa nataony ho an’ny Israely no nitsangana nandimby azy. |
Nahatratra 137 taona i Jismahela vao niala aina, ary maty ka nakambana tamin’ny razany.
dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.
Rehefa vitan’i Jakôba ny hafatrafatra farany tamin’ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin’ny razany.
Ary rehefa ho tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ireo razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ka haoriko mafy ny fanjakany.
«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Kanefa hoy ireo tamin’Andriamanitra: «Mialà aminay, fa tsy te hahalala akory izay lalanao any izahay.
Tatỳ aoriana dia maty i Jôsefa sy ireo rahalahiny ary ny taranaka indray nihira taminy.
Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin’izay ka tsy nahalala an’i Jôsefa.
Dia hoy ny Farao: –Iza moa ny TOMPO no hoekeko, ka handefasako ny Israelita handeha? Tsy fantatro IZY, koa tsy halefako handeha ianareo!
Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!
Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako?
Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»
«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.
Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa Jakôba vaovao mamitaka tokoa izy, ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.
Herisetra arahina herisetra, ary fitaka arahina fitaka! Tsy manaiky hahalala Ahy izy, hoy ny teny hentitra ambarako!»
Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin’ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.
voahodidin’afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an’Andriamanitra sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Tompontsika.
Miaiky izy fa mahalala an’Andriamanitra, nefa mandà Azy amin’ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
Nandritra ny andro rehetra niainan’i Josoa, dia nanompo ny TOMPO ireo Israelita; ary taorian’ny nahafatesan’i Josoa, dia nitohy izany nandritra ny andro rehetra niainan’ireo loholona izay nahita maso ny asa rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Israely.