Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy; nambinina izy tamin’izany. Tsy izany va no fahalalana Ahy? Hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy, ka amin’izany tsara ny zavatra rehetra. Moa tsy izany va no fahalalana Ahy, - teny marin’i Iaveh? -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Nitsara ny tenin’ny ory sy ny malahelo izy; Tamin’izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy; nambinina izy tamin’izany. Tsy izany va no fahalalana Ahy? Hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:16
25 Rohy Ifampitohizana  

«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


noho Izy mijoro hiaro ny zon’ireo fadiranovana mba hamonjy azy amin’izay manameloka ho faty.


Fa ao aminao ny loharanon’aina; ny fahazavanao no manazava anay.


Ny TOMPO no fialofana ho an’ny ampahorîna, eny, fialofana amin’ny andro mahory.


Sokafy ny vavanao mba hitsara araka ny marina ary hiady ho an’ny ory sy ny mahantra».


Mianara hanao ny tsara, tadiavo ny rariny, avoty izay voan’ny tsindry hazo lena, ento ara-drariny ny kamboty, tsarao ny adin’ny mpitondratena.


ho matavy sy mandimandina. Mihoa-pampana ny ratsy ataony: Manohana ny ratsy fanahy izy amin’ny fitsarana fa tsy manome rariny ny kamboty; tsy raharahany akory izay zon’ny mahantra.


Izany no TOMPOn’izao rehetra izao. Tandremo, antsoy ho tonga ireo vehivavy mpitomany. Maniraha haka ireo efa za-draharaha;


Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny:


Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa Jakôba vaovao mamitaka tokoa izy, ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.


Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.


Ary izany no hataony, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho.


Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.


Ny anaranao dia nampahafantariko ireo olona navahanao tamin’izao tontolo izao sy nomenao Ahy; Anao ireo ka nomenao Ahy, ary ny teninao efa notandremany.


Dia hoy ny Farisianina taminy: –Aiza ny Rainao? Fa novalian’i Jesoa hoe: –Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko ihany koa.


Miaiky izy fa mahalala an’Andriamanitra, nefa mandà Azy amin’ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.


tsy misy masina tahaka AZY, ary tsy misy vatolampy tahaka an’Andriamanitsika. Eny, Izy irery ihany no TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra