Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Mpanjaka va ianao ka ataonao be sedera noho ny an’ny sasany ny tranonao? Tsy nihinana sy nisotro va ny rainao? Nefa nanao fitsarana marina izy! Nambinina izy tamin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Noho ianao adalan-tsedera va no maha-mpanjaka anao? Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao? Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy, ary tamin’izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Moa dia ho mpanjaka hianao, saingy ataonao be sedera noho ny an’ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao Sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin’izany dia nambinina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:15
33 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny avokoa ny toetran’i Davida razambeny fa tsy mba nivily hiala tamin’izany izy.


Ho fehin’izany, talohan’i Jôsià dia tsy nisy mpanjaka tahaka azy izay ny TOMPO no nifikirany tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ary ny heriny manontolo, araka ny Lalàn’i Mosesy manontolo. Ary tsy nisy tahaka azy intsony koa tatỳ aoriany.


Ny zanakalahin’i Josià dia i Johanàna no lahimatoa, i Jôiakima no faharoa, i Tsedekià no fahatelo, ary i Saloma no fahefatra.


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny ny toetran’i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin’izany izy.


Kanefa i Jôsià tsy niova hevitra fa nitady izay hiadiana tamin’i Nekao; tsy nety nihaino ny teny izay nampilazain’Andriamanitra an’i Nekao izy, fa nody olon-kafa mba tsy ho fantatra ka nandeha niady taminy ihany tao amin’ny lemak’i Megidao.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôsià ary koa ny asa soa nataony araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO,


Fitiavana sy toetra mahatoky no miaro ny mpanjaka; ary fampiharana ny marina no mahamafy orina ny fahefàny.


Ny fanaovana ny marina sy mahitsy dia sitraky ny TOMPO kokoa noho ny sorona.


esory tsy ho eo amin’ny mpanjaka ny olon-dratsy dia fahamarinana no hiorenan’ny fiandrianany.


Ny mpanjaka mpandala ny rariny no mampiorina mafy ny tany; fa izay mitaky hetra mihoa-pampana kosa no mampikorosy fahana izany.


Sokafy ny vavanao mba hitsara araka ny marina ary hiady ho an’ny ory sy ny mahantra».


Sambatra kosa ny tany izay manana mpanjaka ombàn-toe-panahy ambony sy mpitondra misakafo ara-potoana mba ho fanovozan-kery fa tsy ho fimamoana.


Ny hany fahasambaran’ny olona dia ny mihinana sy ny misotro ary ny mifaly amin’ny valin-kasasarany. Tsapako fa avy amin’Andriamanitra izany fahasambarana izany;


Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.


Izany olona izany no honina eny amin’ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


ianareo taranak’i Davida. Izao no lazain’ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.


Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»


Izao no lazain’ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.


«Indro avy ny andro izay hanapoirako taranaka marina ho an’i Davida. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy, ka dia ny rariny sy ny hitsiny no hampihariny eo amin’ny tany.


Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay.


Fa ahitsio tsara ny fitondrantena sy ny fanaonareo: anaovy fitsarana ara-drariny ny adin’ny olona eo amin’ny fitsarana,


Manaova asa fiantrana araka izay anananareo, dia hadio aminareo ny zavatra rehetra.


Nazoto nihaona isan’andro izy rehetra: nivory tao an-kianjan’ny tempoly, niara-nisakafo tany an-tranony avy, nihinan-kanina tamin-karavoana sy fahatsoram-po,


Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra.


Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny taona rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra