Jeremia 22:14 - DIEM PROTESTANTA14 Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201114 sady miteny hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy efitrano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko menamena. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara14 Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika14 sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho, sy efitrano malalaka; dia asiany varavarankely betsaka, ataony tafo sedera, ary hosorany loko mena mivaivay. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy14 Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho Sy ati-trano ambony malalaka, Ary holoahany hisy varavarankely Sady hasiany valin-drihana sedera Sy hohosorana loko mena. Jereo ny tokoMalagasy Bible14 Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena. Jereo ny toko |
Na dia hiteny aza ny Edômita taranak’i Hesao hoe: «Rava sy potika izahay, nefa hatsanganay indray ny tanàna rava», Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia hamaly hoe: Aoka izy hanangana, fa Izaho kosa handrava. Ary ny olona hametaka anarana azy hoe: «Tany anjakam-paharatsiana» sy «Vahoaka tezeran’ny TOMPO mandrakizay».