Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:8 - DIEM PROTESTANTA

8 dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia niala aina i Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahiantitra ela niainana; dia nangonina any amin’ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:8
27 Rohy Ifampitohizana  

Ianao kosa ho faty amim-piadanana ka halevina, rehefa tratra antitra tsara.


Nahatratra 137 taona i Jismahela vao niala aina, ary maty ka nakambana tamin’ny razany.


Nahatratra dimy amby fitopolo amby zato taona no nahaveloman’i Abrahama,


Teo am-pialana aina rehefa ho faty izy, dia nataony hoe Bèna-Ony na zanaky ny fahoriako ny anaran’ny zaza; fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamîna na zanaky ny tanan-kavanana.


Tonga nampionona azy avokoa na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy; kanefa tsy nety nionona izy, fa nanao hoe: «Mbola hisaona aho no hidina hihaona amin-janako any amin’ny toeran’ny maty.» Koa mbola nitomany an-janany ihany izy.


Taorian’izany dia nanafatra ireo zanany i Jakôba ka nanao taminy hoe: –Rehefa maty aho, dia aleveno any am-pasan-drazako, dia ilay zohy ao amin’ny sahan’i Hefrôna izay hetita,


Rehefa vitan’i Jakôba ny hafatrafatra farany tamin’ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin’ny razany.


Nentiny nankany amin’ny tany Kanahàna ny fatin-drainy ary naleviny tao amin’ny zohy tao an-tsahan’i Makpelà, teo akaikin’i Mamre. Fa novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.


Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.


Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy heni-karena amam-boninahitra izy vao maty; ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.


Efa tratrantitra sy ela niainana i Jôaidà vao maty; feno 130 taona izy tamin’ny nahafatesany.


Dia maty i Jôba rehefa ela niainana ka tratrantitra.


Ho tratra antitra nefa havitrika ianao ambara-piditrao any am-pasana, dia ho tahaka ny amboaram-bary izay akarina ho antontany amin’ny fotoam-pararano.


Ny fahatanjahana no haingon’ny tanora, ary ny volofotsy no voninahitry ny antitra.


Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.


–Efa hampodina any amin’ny razany i Aharôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankatò ny teniko teo amin’ny ranon’i Meribà ianareo.


Ary rehefa hitanao izany, dia ho faty tahaka an’i Aharôna rahalahinao koa ianao.


Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely an’i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin’Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy.


Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana.


Niaraka tamin’izay i Safira dia nidaboka ho azy teo anoloan’ny tongotr’i Petera ka niala aina. Vao tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty ravehivavy, ka nentiny nalevina teo anilan’i Hananià vadiny.


Nony nandre izany teny izany i Hananià, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany.


Dia aoka ianao ho faty eo an-tampon’io tendrombohitra hiakaranao io ka ho voaangona any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Aharôna rahalahinao tany an-tampon’ny tendrombohitra Hôra sy nanangonana azy tany amin’ny razany.


Ary rehefa tapitra maty avokoa izany taranaka izany ka voaangona any amin’ny razany, dia taranaka hafa indray no nandimby azy, taranaka izay tsy nahalala akory ny TOMPO sy ny asa nataony ho an’i Israely.


Ary maty i Gidehôna rehefa tratra antitra tsara ka nalevina tao Hofrà, tanànan’ny tarika abihezerita, tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra