Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:8 - Baiboly Katolika

8 ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia niala aina i Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahiantitra ela niainana; dia nangonina any amin’ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia niala aina i Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahiantitra ela niainana; dia nangonina any amin’ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:8
27 Rohy Ifampitohizana  

Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.


Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Ismaely. Dia niala aina izy ka maty, ary nakambana tamin’ny razany.


Dimy amby fitopolo amby zato taona no andro niainan’i Abrahama,


Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe i Benôni ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.


Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.


Raha efa izany, izao no hafatra napetrany tamin’izy ireo: «Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako, anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna Heteanina,


Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.


Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.


Nony efa tratra antitra sy feno andro i Davida, dia i Salômôna zanany no natsangana ho mpanjaka tamin’i Israely.


Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy harena amam-boninahitra izy vao maty, ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.


Tratra antitra sy voky andro i Jôiadà, ka dia maty; efa 130 taona izy vao maty.


Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainana.


Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.


Ny hery no haingon’ny zatovo, ary ny volo fotsy no ravaky ny anti-panahy.


Izaho anefa, efa feno ny fahatezeran’i Iaveh, ka sasatra ny mitana izany. Aidino amin’ny ankizy eny an-dalambe izany, sy eo amin’ny fivorian’ny zatovo! Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy, na ny antitra sy ny efa ela niainana.


«Efa hakambana amin’ny razany i Aarôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany omeko ny zanak’i Israely izy, satria nandà ny teniko ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà.


Hahita izany ianao, dia hangonina any amin’ny razanao tahaka ny nanangonana an’i Aarôna rahalahinao koa,


Niaraka tamin’izay, dia nisy Anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka maty nohanin’ny kankana.


Raha i Davida aloha, dia nody mandry izy rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny androny, ka nakambana tamin’ny razany, sy tratry ny lo;


Niaraka tamin’izay dia lavo teo an-tongony izy, ka afaka ny ainy. Ary nony tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty izy, ka nentiny naleviny tany anilan’ny lahy.


Nony nandre izany teny izany i Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raiki-tahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany.


Ho faty eo amin’ny tendrombohitra hiakaranao ianao, dia hangonina any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Aarôna rahalahinao tany an-tendrombohitra Hôra, sy nanangonana azy tany amin’ny razany;


Ary voaangona any amin’ny razany koa izany taranaka izany; ka taranaka hafa, tsy nahalala an’i Iaveh na ny asa nataony ho an’i Israely, no nitsangana nandimby azy.


Tratra antitra tsara i Jedeôna, zanak’i Jôasy, vao maty; ary tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy izy no nalevina, tao Efràn’i Abiesera.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra