Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 1:11 - DIEM PROTESTANTA

Ry mponina ao Safira, mandehana hatao sesi-tany ombàn-kenatra sady tsy mitafy. Tsy mahavoaka ny tanàna ireo mponina eo Tsanàna. Misaona ny ao Bety-Etsela, ka tsy azo ampiasaina hierena intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira. Tsy mivoaka ny trano ny mponina ao Zanàna; misaona ny ao Bety-Haezela ka tsy hanohana anareo intsony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ry mponina ao Safira, mandehana hatao sesi-tany ombàn-kenatra sady tsy mitafy. Tsy mahavoaka ny tanàna ireo mponina eo Tsanàna. Misaona ny ao Bety-Etsela, ka tsy azo ampiasaina hierena intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry ikala mponina ao Safira! Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna; ny fisaonan’ny ao Bet-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira. Tsy mivoaka ny trano ny mponina ao Zanàna; misaona ny ao Bety-Haezela ka tsy hanohana anareo intsony.

Jereo ny toko



Mika 1:11
12 Rohy Ifampitohizana  

Ireo vehivavin’i Môaba dia very hevitra eo am-pitana ao Arnôna toy ny vorona mivezivezy voaroaka tao amin’ny akaniny.


Fa tahaka izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny Ejiptianina ho sambo-belona sy ny Etiôpianina ho babo na antitra na tanora. Handeha tsy mitafy sy tsy mikiraro koa izy ireo. Mitanjaka ny feny ka henatra moa izao ny an’ny Ejiptianina!


Amin’izay dia hanontany tena ianao hoe: «Ahoana no nahatonga izao tamiko?» Ny halehiben’ny fahadisoanao no nanaingàna ny morontongotr’akanjonao ka nanaovana an-keriny taminao.


«Mandosira, vonjeo ny ainareo; ary mijanòna any an-taniefitra toy ny borikidia ianareo.»


Anangano fasana i Môaba, satria ho rava tokoa izy. Ho lao ireo tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.


Noho izany, hovoriko mba hamely anao ireo lehilahinao rehetra izay nankamamy anao, na izay tianao na izay halanao. Rehefa vory avy amin’ny manodidina ireo, dia hasehoko azy ny fitanjahanao, ka ho hitany avokoa izany.


Hamely anao amim-pankahalana izy ka haka ny vokatry ny asanao. Havelany hitanjaka sy hiboridana ianao ary hiharihary eo imason’ny rehetra toy ny vehivavy janga. Ny filibànao sy ny fanaranam-batanao


Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe;


Koa izao no teny hentitra ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Indro hamely anao Aho. Haingaiko hatreny amin’ny tavanao ny moron-tongotr’akanjonao. Ka hasehoko miboridana amin’ny firenena sy fanjakana ianao ary hahita anao rakotra henatra ireo.


Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.


Ao koa i Tsenàna, i Hadasà, i Migdala-Gada,