Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 20:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa tahaka izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny Ejiptianina ho sambo-belona sy ny Etiôpianina ho babo na antitra na tanora. Handeha tsy mitafy sy tsy mikiraro koa izy ireo. Mitanjaka ny feny ka henatra moa izao ny an’ny Ejiptianina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 dia ho toy izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny Ejiptiana ho babo, sy ny Kosita ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa tahaka izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny Ejiptianina ho sambo-belona sy ny Etiôpianina ho babo na antitra na tanora. Handeha tsy mitafy sy tsy mikiraro koa izy ireo. Mitanjaka ny feny ka henatra moa izao ny an’ny Ejiptianina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesitany avy any Etiôpia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 dia ho toy izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 20:4
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia nampisamborin’i Hanòna ireo minisitr’i Davida, ka noharatana ny ila-volombavany sady notapahina manasa-pe ny akanjony, ary noroahina nody.


Dia nampisamborin’i Hanòna ireo minisitr’i Davida, ka noharatana ny volom-bavany sady noborina hatrany am-poto-peny ny akanjony ary noroahina hody.


Kanefa ny Ejiptianina dia hatolotro eo an-tanan’ireo tompo maherisetra; ary mpanjaka masiaka no hanapaka azy.» Izany no teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Noho izany, dia hataon’ny TOMPO voaharatra ny tampon-dohan’ireo andriambavilanitra ireo sady hataony mangadihady ny handriny.


Izy koa anefa mahay zavatra, afaka mahatonga loza ary tsy mitsoaka amin’izay nolazainy. Eny, ny TOMPO efa nitsangan-kamely ny antokon’ny olon-dratsy ary koa ireo mpanao heloka izay fitadiavam-pamonjena.


Olombelona ihany ny Ejiptianina fa tsy Andriamanitra akory; nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy; koa vao maninji-tanana ny TOMPO, dia ho solafaka izany mpamonjy izany, hianjera koa ilay natao harovany ary hiara-devona izy roa tonta.


Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.


Aoka hiseho ny fitanjahanao ary ho hita izay mahamenatra anao. Hanao valifaty tokoa Aho ka tsy misy mahasakana Ahy,


Amin’izay dia hanontany tena ianao hoe: «Ahoana no nahatonga izao tamiko?» Ny halehiben’ny fahadisoanao no nanaingàna ny morontongotr’akanjonao ka nanaovana an-keriny taminao.


Izaho koa dia hanainga ny morontongotr’akanjonao hatreny amin’ny endrikao ka ho hita mitanjaka ianao.


Ry mponina any Ejipta ô, mifeheza entana mba handeha any amin’ny fahababoana. Fa hodorana ny tanànan’i Memfisa, ka ho lao tsy hisy mponina intsony.


Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mbamin’ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin’ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.


Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»


Ry mponina ao Safira, mandehana hatao sesi-tany ombàn-kenatra sady tsy mitafy. Tsy mahavoaka ny tanàna ireo mponina eo Tsanàna. Misaona ny ao Bety-Etsela, ka tsy azo ampiasaina hierena intsony.


Nefa na ny mponin’i Teba koa aza dia lasan-ko babo sy voasesitany. Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty teny an-joron-dàlana rehetra teny, ny loholony notsinjaraina an-tsapaka, ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.


«Ianareo koa, ry Etiôpianina, hoy ny Tompo, hovonoiko amin’ny ady ianareo».


Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra