Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 20:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia ho kivy sy ho diso fanantenana ireo Israelita ireo, izay nanantena an’i Etiôpia na nihambo tamin’ny fanampian’i Ejipta.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary ho raiki-tahotra sy hitsanga-menatra ny Israely noho ny amin’i Kosy fanantenany sy i Ejipta reharehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia ho kivy sy ho diso fanantenana ireo Israelita ireo, izay nanantena an’i Etiôpia na nihambo tamin’ny fanampian’i Ejipta.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin’izay, noho ny amin’i Etiôpia, nataony hiankinana, sy noho ny amin’i Ejipta, nataony rehareha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 20:5
17 Rohy Ifampitohizana  

I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan’izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy!


Atsaharo ny fitokiana amin’olombelona fa fofonaina miserana ihany izy ka tsy misy lanjany akory!


Hivadika ho henatra ho anareo izany fiarovan’ny Farao izany, ary ho fahafaham-baràkanareo ny fialofana eo ambany alok’i Ejipta,


Izy rehetra samy ho diso fanantenana amin’io firenena izay tsy hahasoa azy io, firenena tsy hahavonjy na hahasoa azy akory, fa handiso fanantenana sy hitondra latsa aza.


Tsinontsinona sy zava-poana ny famonjen’i Ejipta; koa izany no iantsoako azy hoe: «Ilay be rehaka tsy mahavita na inona na inona».


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan’izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy.


Hataonao ahoana moa no hampandositra ny komandy anankiray amin’ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tàhiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?


Kanjo henon’i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihakà mpanjakan’i Etiôpia; koa rehefa nahare izany izy, dia naniraka hankany amin’i Hezekià


Izao no lazain’ny TOMPO: –Voaozona izay mitoky amin’olombelona sy miantehitra amin’ny nofo ho heriny ka mampiala ny fony amiko.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Amôna andriamanitr’i Teba, hamely an’i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.


Tsy ho tokin’ny Israelita intsony i Ejipta, ka tsy hampanao heloka azy hiantso vonjy any aminy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.»


I Etiôpia sy i Ejipta no heriny tsy mety ritra ary ny vahoakan’i Pota sy ny Libianina no mpanampy azy.


«Ianareo koa, ry Etiôpianina, hoy ny Tompo, hovonoiko amin’ny ady ianareo».


Noho izany, aoka tsy hisy hanao olona ho reharehany. Fa anareo ny zavatra rehetra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra