Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Zakaria 14:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia handositra hamaky ny lohasahan’ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela izany lohasahan’ny tendrombohitra izany; eny, handositra ianareo, tahaka ny nandosiranareo ny horohoron-tany tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda. Ary ho avy NY TOMPO Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia handositra ho any amin’ ny lohasahan’ny tendrombohitro hianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan’ny tendrombohitra; eny, handositra hianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin’ny andron’i Ozia, mpanjakan’ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia handositra ho any amin'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 14:5
30 Rohy Ifampitohizana  

mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.


mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.


no hiavian’ny famaliana hamonjena anao avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Izay hombàn’ny kotro-baratra sy ny horohoron-tany ary firohondrohona mafy, hombàn’ny tadio sy ny tafio-drivotra ary ny lelafo mandevona.


Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.


Ry mponina ao Safira, mandehana hatao sesi-tany ombàn-kenatra sady tsy mitafy. Tsy mahavoaka ny tanàna ireo mponina eo Tsanàna. Misaona ny ao Bety-Etsela, ka tsy azo ampiasaina hierena intsony.


Sady niteny koa ny Tompo hoe: «Sakana va io tendrombohitra lehibe io? Holemahin’i Zerobabela izy. Hoesoriny avy ao ny vato izay hatao tendron’ny tempoly ka hantsoantsoin’ny olona hoe: ‹Mahafinaritra, mahafinaritra!› »


Ny Israelita rehetra izay nanodidina azy, dia nandositra raha nandre ny fidradradradràny, satria natahotra fandrao hatelin’ny tany eo koa.


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany ka nanao hoe: –Lazao aminay izay fotoana hahatongavan’izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran’izao tontolo izao.


–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.


Amin’izay no hahitana ny Zanak’olona tamy voahodidin-drahona sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany. Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.


Dia hampiorina ny fonareo Izy, ka tsy hanan-tsiny sy ho masina eo anatrehan’ilay Andriamanitra Raintsika ianareo, amin’ny andro hiavian’i Jesoa Tompontsika otronin’izay rehetra voatokana ho Azy.


Ary rehefa hiseho ilay mpanao ratsy, dia ny fofonaina avy amin’ny vavan’i Jesoa Tompo no hahafaty azy ary ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra no hanafoana azy.


Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo.


Tamin’izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon’ilay tanàna ary olona fito arivo no matin’io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.


Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy.


Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan’olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin’ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin’Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin’ny biby na tamin’ny sarin’ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik’ilay biby teo amin’ny handriny na teo amin’ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra