Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 8:19 - DIEM PROTESTANTA

Fa raha vao naninji-tanana i Josoa, dia niroatra avy tao amin’ny fiafenany faingana ireo Israelita namitsaka, ary nihazakazaka niditra ny tanàna ka naka azy sady nandoro azy avy hatrany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha vao natondrony ny tanany dia nirohotra haingana ny nanao vela-pandrika avy tao amin’ny nitoerany ka nihazakazaka; dia niditra tao an-tanàna izy ireo ka nahazo azy ary nandoro azy haingana tamin’ny afo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha vao naninji-tanana i Josoa, dia niroatra avy tao amin’ny fiafenany faingana ireo Israelita namitsaka, ary nihazakazaka niditra ny tanàna ka naka azy sady nandoro azy avy hatrany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Vao nanatsotra ny tanany izy, dia niroatra faingana avy eo amin’izay nitoerany ny otrika, ka nihazakazaka niditra ny tanàna sy naka azy, ka nodorany faingana ny tanàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin’ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin’ny afo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha vao natondrony ny tanany dia nirohotra haingana ny nanao vela-pandrika avy tao amin’ny nitoerany ka nihazakazaka; dia niditra tao an-tanàna izy ireo ka nahazo azy ary nandoro azy haingana tamin’ny afo.

Jereo ny toko



Josoa 8:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Ambano amin’ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy. Dia nanambanan’i Josoa ny tanàna ilay lefona teny an-tanany.


Tahaka izay nataonao tamin’i Jerikao sy ny mpanjakany no hataonao amin’i Hay sy ny mpanjakany, saingy azonareo baboina avokoa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ametraho miaramila mamitsaka hamely ny tanàna avy ao ivoho.


Nony nitodika ireo lehilahin’i Hay, dia nahita fa niakatra ho any an-danitra ny setroky ny tanànany. Tsy nisy toerana handosirany intsony na ho aiza na ho aiza, fa ny Israelita izay nandositra ho any an-taniefitra dia nifotitra hamely ny mpanenjika azy.


Dia niainga avy tamin’ireo toerana rehetra nisy azy ny Israelita ka nilahatra hiady tao Bahala-Tamara; tamin’izay kosa ny miaramila israelita niafina dia nipoitra avy tao amin’ny fiereny teo andrefan’i Geba.


Ireo miaramila niafina ireo dia niroatra haingana nankany Gibehà ka namely ny tanàna manontolo sy nandringana ny mponina tao.