Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitsara 20:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Dia niainga avy tamin’ireo toerana rehetra nisy azy ny Israelita ka nilahatra hiady tao Bahala-Tamara; tamin’izay kosa ny miaramila israelita niafina dia nipoitra avy tao amin’ny fiereny teo andrefan’i Geba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Dia nitsangana niala tamin’ny toerana nisy azy ny lehilahy rehetra tamin’ny Israely ka nilahatra tany Baala-Tamara; ary ny Israely izay nanao vela-pandrika dia nirohotra avy tamin’ny toerany, avy tao an-tsahan’i Gibea.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Dia niainga avy tamin’ireo toerana rehetra nisy azy ny Israelita ka nilahatra hiady tao Bahala-Tamara; tamin’izay kosa ny miaramila israelita niafina dia nipoitra avy tao amin’ny fiereny teo andrefan’i Geba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Dia niala tamin’izay nitoerany àry ny lehilahy amin’i Israely rehetra, ka nilahatra tany Baala-Tamara; ny olon’i Israely nanotrika kosa dia niantoraka avy amin’ny fitoerana nisy azy, tao amin’ny tany lemak’i Gabaà,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely nitsangana niala tamin’ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin’ny fitoerany, avy tao an-tsahan’i Gibea.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:33
2 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nihevitra ho naharesy ny Israelita toy ny teo aloha izy; kinanjo nanapa-kevitra ny Israelita fa hanao tari-dositra mba hisarika ny Benjaminita ho any amin’ny lalana mankany an-tsaha ka hanalavitra an’i Gibehà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra