Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitsara 20:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Ireo miaramila niafina ireo dia niroatra haingana nankany Gibehà ka namely ny tanàna manontolo sy nandringana ny mponina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Dia nihazakazaka hankany Gibea ny mpanao vela-pandrika ka nirohotra namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Ireo miaramila niafina ireo dia niroatra haingana nankany Gibehà ka namely ny tanàna manontolo sy nandringana ny mponina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Fa niroatra faingana nankany Gabaà ireo olona natao otrika ireo, raha efa izany dia nandroso ny lehilahy natao otrika namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin’ny lelan-tsabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:37
5 Rohy Ifampitohizana  

Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.


Rehefa re manao feo lavareny ny trompetra, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin’izay ny mandan’ny tanàna; ary hiakatra hamely samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita.


Ny tafika ankapobeny dia nitoby tao avaratry ny tanàna ary ny andiany sasany kosa tao andrefana, fa i Josoa nandany ny alina tao an-dohasaha.


Raha nahita izany ny mpanjakan’i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna; ary nivoaka faingana hifanehatra amin’ny Israelita izy mbamin’ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin’ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin’ny lohasahan’i Jôrdàna; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon’ny tanàna.


Fa raha vao naninji-tanana i Josoa, dia niroatra avy tao amin’ny fiafenany faingana ireo Israelita namitsaka, ary nihazakazaka niditra ny tanàna ka naka azy sady nandoro azy avy hatrany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra