izy ihany koa no reny niteraka an’i Sahafy mpanorina an’i Madmenà sy niteraka an’i Sevà mpanorina an’i Makbenà sy i Gibehà; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Haksà.
Josoa 15:17 - DIEM PROTESTANTA I Hôtniela, ilay zanakalahin’i Kenaza rahalahin’i Kaleba, no nahafaka ny tanàna; koa nomen’i Kaleba azy i Haksà zanany vavy ho vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Otniela, zanak’i Kenaza, rahalahin’i Kaleba, no nahazo azy ka nomeny azy i Aksa zanany vavy ho vadiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hôtniela, ilay zanakalahin’i Kenaza rahalahin’i Kaleba, no nahafaka ny tanàna; koa nomen’i Kaleba azy i Haksà zanany vavy ho vadiny. Baiboly Katolika Otoniela zanak’i Keneza, rahalahin’i Kaleba, no nahafaka azy ka nomen’i Kaleba azy i Aksà zanany vavy, ho vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Otniela, zanak’i Kenaza, rahalahin’i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zanani-vavy ho vadiny. Malagasy Bible Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny. La Bible en Malgache Ary i Otniela, zanak’i Kenaza, rahalahin’i Kaleba, no nahazo azy ka nomeny azy i Aksa zanany vavy ho vadiny. |
izy ihany koa no reny niteraka an’i Sahafy mpanorina an’i Madmenà sy niteraka an’i Sevà mpanorina an’i Makbenà sy i Gibehà; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Haksà.
Ny zanakalahin’i Kenaza dia i Hôtniela sy i Seraià; ary ny zanakalahin’i Hôtniela dia i Hatata sy i Mehônôtahy.
I Kaleba, zanakalahin’i Jefone izay anisan’ny tarik’i Kenaza, ary i Josoa zanakalahin’i Nona ihany no hiditra any, satria izy roa lahy no nanaraka ny teniko.»
Indray andro dia nanatona an’i Josoa tany Gilgala ny olona sasany avy amin’ny fokon’i Joda; isan’ireny i Kaleba zanakalahin’i Jefonè, avy amin’ny tarik’i Kenaza. Dia hoy i Kaleba tamin’i Josoa: –Tsaroanao tsara ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy lehilahin’Andriamanitra ny momba ahy sy ianao tany Kadesy-Barnea.
Ary hoy i Kaleba hoe: –Izay olona mamely ka mahafaka an’i Kiriata-Sefera dia homeko azy i Haksa zanako vavy ho vadiny.
Ary i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba, no nahazo ny tanàna; koa nomen’i Kaleba azy i Haksà zanany vavy ho vadiny.
Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.
Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba.