Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 20:9 - DIEM PROTESTANTA

Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha hoy aho: Tsy hanonona Azy intsony aho na hiteny amin’ny anarany intsony, dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko izany, voahidy ato amin’ny taolako ary sasatra ny miaritra aho ka tsy mahazaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho Na hiteny intsony amin’ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha hoy aho: Tsy hanonona Azy intsony aho na hiteny amin’ny anarany intsony, dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko izany, voahidy ato amin’ny taolako ary sasatra ny miaritra aho ka tsy mahazaka.

Jereo ny toko



Jeremia 20:9
21 Rohy Ifampitohizana  

Koa tena nangina mihitsy aho, tsy nivolana na dia tsy nahasoa aza. Vao mainka nitombo ny fijaliako,


ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.


Dia nentin’ny Fanahy izay nanainga ahy niala avy tamin’ny tany aho. Voasariky ny herin’ny TOMPO aho ka tsy nahatohitra, fa lasa nandeha tamin’ny fo nalahelo sady nangitakitaka.


Ary hoy Izy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, fenoy ny kibonao ary vokiso amin’io horonan-taratasy omena anao io ny tenanao.» Dia nohaniko izany, ka tao am-bavako dia mamy toy ny tantely.


Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?


–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe. Torio ny amin’ny hamelezana azy, satria tafakatra eto anatrehako ny faharatsian’ny mponiny.


Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny olona efa mitana amin’ny angadin’omby kanefa mbola miherika ihany, dia tsy natao ho an’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Raha mbola niandry an’i Silasy sy i Timôty tao Atena i Paoly, dia niontana ny fony tamin’izy nahita ity tanàna feno sampy.


Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia.


raha izahay, tsy azonay atao ny tsy hiteny momba izay efa hitanay sy renay.