Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro, misy fampangorohoroana manodidina, torio, eny, hotorìntsika koa izy; izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy, dia horesentsika sy hovalìntsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa reko ny endrikendriky ny maro– Misy fampangorohoroana manodidina– Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako Ka manao hoe: Angamba ho voataona izy, Dia horesentsika sy hovaliantsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro, misy fampangorohoroana manodidina, torio, eny, hotorìntsika koa izy; izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy, dia horesentsika sy hovalìntsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:10
35 Rohy Ifampitohizana  

Ary nandefa iraka tany amin’i Elià i Jezebela hanao hoe: «Enga anie ka hataon’ireo andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay henjana indrindra, raha tsy afako toy ny nanaovanao ny ain’ny iray tamin’ireny koa ny ainao rahampitso tahaka izao!»


Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;


ka lazao ireo fa baiko avy amiko ny hanaovana ity olona ity an-tranomaizina ary ny hamahanana azy mofo kely sy rano kely fotsiny mandra-piveriko soa aman-tsara.


Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao, dia i Mikaià zanakalahin’i Jimlà; saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy fa loza hatrany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza miteny izany ianao, ry mpanjaka.


Tsiravina amiko ireo sakaiza nitokiako; ary nivadika tamiko avokoa ny olon-tiako.


Tsy fantatra intsony aho fa hadino toy ny maty sy toy ny zavatra nariana.


Efa reko ny besinimaro mifosa ahy ka mampihorohoro hatraiza hatraiza. Mikaon-doha hamely ahy izy sy miray tetika hanala ny aiko.


Na dia ny sakaiza tiako indrindra aza, izay nitokiako ka niara-nihinana tamiko, dia nanjary nitsangana hanohitra ahy.


Hoy ireo hoe: «Voan’ny aretin-dratsy io ka milamaka tsy ho tafarina intsony!»


Hirahiny avy any an-danitra anie ny famonjena ahy, hataony ho afa-baràka anie ireo mpanenjika ahy! Fiatoana Eny, hirahin’Andriamanitra ho amiko anie ny fitiavana amam-pahamarinany!


Mpihatsaravelatsihy izay manafina ny fankahalany; fa adala izay mampiely endrikendrika.


ka miampanga lainga azy amin’ny teny sy mamandrika ny mpitsara mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.


Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»


Koa izao no lazain’ny TOMPO hamelezana ny mponin’i Hanatôta izay nitady hamono ahy ka nanao tamiko hoe: «Aza maminany amin’ny anaran’ny TOMPO, fandrao ho fatin’ny tananay ianao.»


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


Nony ampitso vao novahan’i Pasehora, teo amin’ny tsatòka i Jeremià. Ary hoy i Jeremià taminy: –Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan’ny TOMPO anao fa Magôra-Misabiba, izany hoe «Fihorohoroana hatraiza hatraiza».


Kanjo raha vao nandalo teo am-bavahadin’i Benjamîna izy, dia nifanehatra tamin’ny lehiben’ny mpiambina atao hoe Jirià, zanakalahin’i Selemià sady zafikelin’i Hananià. Ary nosamborin’i Jirià i Jeremià mpaminany ka nataony hoe: –Miandany amin’ny Babilônianina ianao.


Aza mivoaka ho any an-tsaha, aza mandeha eny an-dalam-be fa ao ny fahavalo mirongo sabatra; ka horohoro hatraiza hatraiza.


Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin’ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana:


Ary nihoaran’io Daniela io avokoa ireo mpitantan-draharaha anankiroa sy ireo solotenan’andriamanjaka tamin’ny fananany fanahy tena fatratra, koa nokasain’ny mpanjaka hatao lehibe eo amin’ny fanjakana manontolo izy.


Ary nataon’ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan’i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina.


Ary tsy afaka hanome porofo anao amin’izay iampangany ahy ry zareo.


Nisafoaka ny tao amin’ny Fitsarana ambony raha nandre izany teny izany ka nikasa hamono ny apôstôly.


Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra