Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Kanefa NY TOMPO dia momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra; ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; ho menatra indrindra izy satria tsy hambinina. Henatra mandrakizay tsy hohadinoina izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 I Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery; ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy. Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, Ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry,– Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Kanefa NY TOMPO dia momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra; ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; ho menatra indrindra izy satria tsy hambinina. Henatra mandrakizay tsy hohadinoina izany!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:11
25 Rohy Ifampitohizana  

«Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay! Kanefa tsy naharesy ahy ny olon-dratsy.


Ho menatra sy hangaihay avokoa anie izay olona mifaly amin’ny fahavoazako; ho safo-kenatra sy ho afa-baràka anie ireo manandra-tena mirehareha amiko!


TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!


Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana sy manaova hobim-pifaliana ho an’Andriamanitra;


Eny, ren’ny TOMPO tokoa ny tarainako ary noraisiny ny vavaka nataoko.


Sambatra ny olona izay voafidinao ka asainao honina ao an-kianjanao! Hamoky anay ny zava-tsoan’ny tranonao, dia ny zava-masin’ny tempolinao.


Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra; mitolagaga ny olombelona amin’ity ataony:


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy fa ho indray menatra sy ho afa-baràka; mandeha mitanondrika izy rehetra.


Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany.


Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Aza matahotra azy fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao. Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.


TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.


Hataoko manda varahina mafy ianao manoloana ity vahoaka ity. Hiady aminao izy fa tsy hahatohitra anao, satria miaraka aminao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.


Indaosin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra ary lasan-ko babo ireo sakaizanao. Ho menatra sy ho afa-baràka ianao noho ny ratsy rehetra nataonao.


Hatolotro ho amin’ny henatra sy ny fahafaham-baràka tsy hohadinoina mandrakizay ianareo.


Maneho fitiavana hatramin’ny taranaka faharivo Ianao; fa raha misy nanao fahadisoana kosa ny ray aman-dreny, dia ny zanany no asainao mizaka ny vokatr’izany. Andriamanitra lehibe sy mahery Ianao, ary TOMPOn’izao rehetra izao no anaranao.


Ary olona marobe izay matory ao amin’ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay.


Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?


Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra