Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ry Iavehn’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina, izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an’ireo aho, fa Ianao no nanankinako ny adiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa Hianao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo– Ho hitako ny famalianao azy, Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:12
26 Rohy Ifampitohizana  

Nohadinoin’i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon’i Jôiadà rain’i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!»


Voatomban’ny TOMPO tokoa ny olo-marina sy ny olon-dratsy ka hàlany ireto mpankamamy herisetra.


Andriamanitra ô, diniho aho ka fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro eritreritra.


Efa nandinika ny foko Ianao, ary avy alina namotopototra ahy; nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao fa tsy nahita n’inona n’inona hokianina. Tsy niteny ratsy


Izy anie hamaly ny ratsy ataon’ny mpitsikilo ahy! Aringano ireo satria mahatoky tokoa Ianao.


Tsy mbola tonga kirihitra akory ny tsilo novolen’ny olon-dratsy, dia hongotan’ny tafiotra sahady na mbola maitso na efa maina.


Ry Heriko ô, Ianao no andrandraiko satria Andriamanitra fiarovana avo ho ahy.


Miankina amin’Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro; Andriamanitra no Vatolampy ianteherako mafy sy fialofako.


TOMPO ô, Ianao no mpitsara ireo firenena; koa tsarao aho, ry TOMPO Avo Indrindra, fa tia rariny aho ary tsy manan-tsiny.


Ampifalio re aho mpanomponao satria Ianao, Tompo ô, no ifantohako.


Ary noraisin’i Hezekià ny taratasy nentin’ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon’ny TOMPO ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan’ny TOMPO,


Koa mikiakiaka toa sidintsidina aho ary mitoloko toa voromahailala. Tsy mahajery lanitra intsony ny masoko, –Tompo ô, tena trotraka aho, ka aoka mba hiantohanao.–


Nefa Ianao, ry TOMPOn’izao rehetra izao, dia mitsara ara-drariny, ka mamantatra ny ao an’eritreritra sy ao am-po. Ho hitako hanafay azy Ianao, satria nankiniko taminao ny adiko.


Niova ho masiaka tamiko toy ny liona any an’ala ilay anjara fananako; nierona tamiko izy ka halako.


–Izaho TOMPO kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an’eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona.


Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.


notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin’Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny;


Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin’Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.


Mifalia amin’ny manjo an’i Babilôna ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan’Andriamanitra mbamy ianareo apôstôly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!


Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.


Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»


Dia novalian’i Hanà hoe: –Tsia, tompoko, tsy mamo aho. Malahelo fotsiny aho fa tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa akory. Mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny TOMPO aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra