Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Fa feno ny fahatezeran’NY TOMPO aho ka tsy zakako tsindriana intsony izany! Aidino amin’ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ny andian-jatovo izany; fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, na ny antitra sy efa ela niainana koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Izaho anefa, efa feno ny fahatezeran’i Iaveh, ka sasatra ny mitana izany. Aidino amin’ny ankizy eny an-dalambe izany, sy eo amin’ny fivorian’ny zatovo! Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy, na ny antitra sy ny efa ela niainana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fa ny fahatezeran’i Jehovah mahafeno ahy Ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin’ny ankizy madinika eny an-dàlambe Sy amin’ny fiokoan’ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, Ary ny anti-panahy mbamin’ny ela niainana koa;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fa ny fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin'ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin'ny ela niainana koa;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Fa feno ny fahatezeran’NY TOMPO aho ka tsy zakako tsindriana intsony izany! Aidino amin’ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ny andian-jatovo izany; fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, na ny antitra sy efa ela niainana koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:11
22 Rohy Ifampitohizana  

Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra, ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.


Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako teo amin’ny fivorian’ny mpikorana aho, fa noteren’ny herinao hitoetra irery satria nofenoinao ny fahatezeranao.


Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Koa nahinjitro hamely anao ny tanako mba handevona anao fa efa sasatry ny mandefitra Aho.


Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.


Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


«Mianika ny varavarankelintsika ny fahafatesana, ary miditra ao an-dapantsika; eny an-dalambe no andringanany ny ankizy ary eny an-kianja no andripahany ny zatovo.»


Ambarao kosa, ry Jeremià, izao teny hentitry ny TOMPO izao: «Eny amin’ny tany eny no miampatrampatra ny fatin’olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan’ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona.»


Nailikiliky ny Tompo ireo maheriko rehetra. Nanainga andian-tafika iray Izy hamely ahy mba afaka hanamontsana ireo zatovoko. Nohosihosen’ny Tompo toy ny voaloboka am-pamiazana aho, dia izaho Tsiôna, ilay tsara tarehin’i Joda.


Na antitra na tanora dia maty mitsitsitra eny an-dalambe. Ny tovolahiko sy ny tovovaviko dia samy matin’ny sabatra. Novonoinao tamin’ny androm-pahatezeranao izy, naringanao tsy nisy fiantrana.


hanambara aminareo Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Havelako holotoina ny toerako masina izay fireharehànareo fatratra sy fifalian’ny masonareo ary fanantenàm-piainanareo. Ny zanakareo lahy sy vavy, izay tafajanona ao Jerosalema, dia ho fatin’ny sabatra.


Dia nentin’ny Fanahy izay nanainga ahy niala avy tamin’ny tany aho. Voasariky ny herin’ny TOMPO aho ka tsy nahatohitra, fa lasa nandeha tamin’ny fo nalahelo sady nangitakitaka.


Ary hoy Izy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, fenoy ny kibonao ary vokiso amin’io horonan-taratasy omena anao io ny tenanao.» Dia nohaniko izany, ka tao am-bavako dia mamy toy ny tantely.


Aringano na antitra na tanora, mbamin’ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin’ny Toeramasiko izany.» Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan’ny tempoly izy.


Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony, eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.


Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, dia hisy roa lahy miara-misakafo: ka ny iray halaina, ny iray havela;


Raha mbola niandry an’i Silasy sy i Timôty tao Atena i Paoly, dia niontana ny fony tamin’izy nahita ity tanàna feno sampy.


Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia.


raha izahay, tsy azonay atao ny tsy hiteny momba izay efa hitanay sy renay.


Dia reko nisy feo mahery avy tao amin’ny tempoly nanao tamin’ny anjely fito hoe: «Mandehana, araraho amin’ny tany ny ao anatin’ireo lovia fito feno ny haviniran’Andriamanitra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra