Jeremia 6:12 - DIEM PROTESTANTA12 Ho lasan’olon-kafa ny tranony sy ny sahany ary ny vadiny, satria hahinjitro ny tanako hamely ny mponina amin’ny tany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Ho lasan’ny sasany ny tranony mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; fa hatsotrako amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako, hoy NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Ho lasan’olon-kafa ny tranony sy ny sahany ary ny vadiny, satria hahinjitro ny tanako hamely ny mponina amin’ny tany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Ny tranony ho lasan’ny hafa; ny sahany mbamin’ny vadiny torak’izany koa. Fa haninji-tanana amin’ny mponina amin’ny tany Aho, - teny marin’i Iaveh. - Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Ary ho lasan’ny sasany ny tranony Mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin’ny mponina amin’ny tany ny tànako, hoy Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Ary ho lasan'ny sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah, Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 Ho lasan’ny sasany ny tranony mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; fa hatsotrako amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako, hoy NY TOMPO. Jereo ny toko |
Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.