Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 1:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nefa nitsangana handositra ho any Tarsisy i Jona mba handositra ny tavan’NY TOMPO. Nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia naloany ny sarany ka niondrana taminy izy mba hiara-mandeha tamin’ny olona ho any Tarsisy, hanalavitra NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Dia nitsangana i Jônasy handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh. Nidina tany Jôpe izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Nefa nitsangana handositra ho any Tarsisy i Jona mba handositra ny tavan’NY TOMPO. Nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia naloany ny sarany ka niondrana taminy izy mba hiara-mandeha tamin’ny olona ho any Tarsisy, hanalavitra NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 1:3
35 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.


Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.


Dia natahotra i Elià, ka nitsoaka nandositra namonjy ny ainy. Tonga tany Beera-Seba izay any Joda izy, ary navelany tao ny mpanompony.


Rehefa tonga tao Hôreba i Elià, dia niditra tao amin’ny zohy iray ka natory tao. Ary nisy tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?


Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina hatrany Jôpa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema.»


Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.


Fa ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay notarihin’ireo tantsambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo volana ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.


Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.


Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Indro eo am-pelatananao izay ananany rehetra. Nefa aza kasihinao kosa ny tenany. Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna.


Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.


Tao ireo niainga hiantsambo an-dranomasina sy nanao raharaha teny ambony ranobe,


ary ny sambo vaventy sy ny sambo marevaka rehetra.


Hafatra momba an’i Tiro. «Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny serananareo.» Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra no nandrenesany izany vaovao izany.


«Voleo ny taninao, ry Tiro, ka ataovy toy ny eny amoron’i Neily, satria tsy hisy seranana intsony ho an’ny sambon’i Tarsisy.»


«Ndeha mamaky ranomasina hatrany Tarsisy ka manaova antsoantsom-pitarainana, ianareo mponina amoron-tsiraka.


Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.


Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ôfira, izay namboarin’ny mpanao asan-tanana sy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.


«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, aza miseho ho maditra tahaka ireo, fa henoy izay lazaiko aminao. Sokafy ny vavanao ka hano izay homeko anao.»


«Ny olon’i Tarsîsy no nifanao varotra taminao momba ny harena zavon-tany isan-karazany. Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka no natolony ho takalon’ny entanao.


Dia nentin’ny Fanahy izay nanainga ahy niala avy tamin’ny tany aho. Voasariky ny herin’ny TOMPO aho ka tsy nahatohitra, fa lasa nandeha tamin’ny fo nalahelo sady nangitakitaka.


Tamin’izay dia raiki-tahotra ireo matilò raha nitantarany fa hay nandositra ny Tompo izy. Ka hoy ireo taminy: –Fa naninona ianao no nanao izany?


Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny olona efa mitana amin’ny angadin’omby kanefa mbola miherika ihany, dia tsy natao ho an’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


saingy noheverin’i Paoly fa tsy tokony hoentina izy io satria nandao azy roa lahy tany Pamfilia ka tsy niara-niasa taminy intsony.


Ary amin’izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra.


Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin’ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany.


Tanàna akaikin’i Jôpa moa i Lida; ka nony henon’ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.»


Tonga fantatr’i Jôpa iray vohitra izany ka olona maro no nino ny Tompo.


Nitoetra naharitraritra tao Jôpa i Petera, tao an-tranon’ny mpandon-koditra atao hoe Simôna.


Tsy hoe ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly no ireharehako; adidy napetraka amiko izany ka lozako raha tsy mitory ny Vaovao Mahafaly aho.


Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin’ireo, ka tsy hifanatri-tava amin’ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo


ary i Rakôna; ao koa ny ranon’i Jarkôna sy ny tany manodidina an’i Jafao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra