Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô, no anakorana sy ihomehezana ahy isan’andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa na oviana na oviana no itenenako dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’NY TOMPO dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô, no anakorana sy ihomehezana ahy isan’andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin’i Iaveh tonga fandatsàna sy fihomehezana ahy isan’andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, Eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan-andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin'i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan'andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa na oviana na oviana no itenenako dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’NY TOMPO dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:8
26 Rohy Ifampitohizana  

Avy tao Jerikao i Elisà, dia niakatra hankany Betela. Teny an-dalana anefa dia nisy ankizilahy nivoaka ny tanàna ka nanaraby azy hoe: –Miakara, ry Lesola! Miakara, ry Lesola!


Saingy nihomehezan’ny vahoaka ireo irak’Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny; noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.


Iza moa no esoesoinareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy ianareo ve no zanaka mpikomy sy taranaka mpandainga?


Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.


TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.


Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo amin’ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanàna; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty.»


TOMPO ô, notaominao aho ka voataona; ary nahery tamiko Ianao ka resy aho. Fihomehezana aho isan’andro sady fanebaky ny olona rehetra.


Efa nisy tokoa mpaminany hatry ny ela talohanao sy talohako. Ireny mpaminany ireny dia manambara hafatra tamin’ireo tany matanjaka sy fanjakana malaza; nefa ady sy loza ary areti-mandringana no nambarany mazàna.


Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


Iza no hitenenako, ary iza no hampandrenesina hihaino ahy? Indro tsentsina ny sofiny, ka tsy afaka handre tsara izy. Manala-baràka azy ny teninao, ry TOMPO, ka tsy ankamamîny.


Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an’i Bahala ary mifikitra amin’ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?


Nahoana no ampahitanao faharatsiana maro aho? Nahoana no mijery fotsiny ny fahoriana Ianao? Fa ny hany manodidina ahy dia famoretana sy herisetra; ary fitsarana sy fifandirana no mipoaka hatraiza hatraiza.


Niteny tamin’i Jesoa kosa ny anankiray amin’ny mpahay lalàna nanao hoe: –Mpampianatra ô, izahay koa dia alànao baràka amin’izany teninao izany?


Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin’ny Mesia dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.


Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin’i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy.


Sambatra ianareo raha haratsîna amin’ny maha mpianatr’i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra