Ka hoy aho hoe: Fantatrao tsara ny rainao sy ireo olony; fa kalaza ireo sady masiaka tahaka ny orsa very anaka any an-tsaha. Ary ny rainao dia lehilahy mpiady ka tsy mba miara-mitoetra amin’ny vahoaka nony alina.
Hosea 13:8 - DIEM PROTESTANTA Toy ny famelin’ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho ka handriatra ny saron’ny fony; eny, any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; ny bibidia no hamiravira azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy ny famelin’ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo. Baiboly Katolika Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka Aho, handriatra ny sarom-pony Aho ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy; ny biby any an-tsaha hamotipotika azy. Baiboly Protestanta Malagasy Mamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho, Ka mandriatra ny sarom-pony, Eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy. Malagasy Bible Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy. La Bible en Malgache hamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho ka handriatra ny saron’ny fony; eny, any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; ny bibidia no hamiravira azy. |
Ka hoy aho hoe: Fantatrao tsara ny rainao sy ireo olony; fa kalaza ireo sady masiaka tahaka ny orsa very anaka any an-tsaha. Ary ny rainao dia lehilahy mpiady ka tsy mba miara-mitoetra amin’ny vahoaka nony alina.
Nahoana àry no dia noravanao ny fefy manodidina an’ilay voalobokao, ka mioty azy ny mpandalo rehetra?
Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy, eny, toy ny tigra mandrahona mafy ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy, ary tsy misy maharombaka izany intsony.
Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha sy ianareo bibidia rehetra any an’ala, avia hanao fihinanam-be!
Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin’ny fanasana!
Tahaka ny liona tanora nandao ny kirihitra fiereny no fahalasanan’ireo mpitondra Efa tonga lao ny taniny satria mahatsiravina ny ady ary mirehitra ny hatezeran’ny Tompo.
Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason’ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’izany famaizako izany.
Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.