Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 satria amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora. Izaho dia Izaho no mamiravira dia lasa mandeha. Lasako izy ka tsy misy mahavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima, ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà. Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha; hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho, Ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Raha mba mitraka aho, dia hihaza ahy toy ny liona ianao, ka ny asanao mahatalanjona no hamelezanao ahy indray.


Fantatrao tsara ange fa tsy meloka aho, ary tsy misy olona afa-miala eo am-pelatananao.


Koa hevero izany, ry mpanadino Ahy, ndrao viraviraiko tsy hisy hanafaka ianareo.


TOMPO Andriamanitro ô, Ianao no fialofako. Mba vonjeo re aho ary afaho amin’izay rehetra manenjika ahy.


Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy, eny, toy ny tigra mandrahona mafy ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy, ary tsy misy maharombaka izany intsony.


Tahaka ny liona tanora nandao ny kirihitra fiereny no fahalasanan’ireo mpitondra Efa tonga lao ny taniny satria mahatsiravina ny ady ary mirehitra ny hatezeran’ny Tompo.


Toa orsa manotrika hamely ahy Izy, toa liona mamitsaka ao anaty kirihitra,


Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.


Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason’ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’izany famaizako izany.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Ka ny haingam-pandeha tsy hahita fierena, ny matanjaka tsy afaka hampiasa ny heriny, ary ny miaramila voafantina tsy hahavonjy ny tenany.


Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!


Ny ombinareo hovonoina eo imasonareo, fa tsy hihinananareo; ny borikinareo halaina an-keriny eo anatrehanareo, fa tsy haverina aminareo; ny ondry aman’osinareo hafoy ho an’ny fahavalonareo, fa tsy hisy hamonjy anareo;


Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra